Namana
Inona no ao an-tsainao?
Mey 2024


“Inona no ao an-tsainao?” Namana, Mey 2024, 38.

Inona no ao an-tsainao?

Ahoana no ahafantarako hoe Fanahy Masina izany sa izaho?

—Prompted any Paris

Ry Prompted,

Mety hitarika anao mihoatra amin’izay eritreretinao ny Fanahy Masina. Rehefa natao batisa ianao ary noraisina ho mpikambana ka manao izay tsara indrindra vitanao hitandremana ireo didy dia “[hanana] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[ao]” ianao (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77). Saingy ahoana no ilazanao hoe Fanahy Masina izany?

Ny Fanahy Masina. dia mitarika antsika “hanao ny tsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12) ary manampy antsika “hahafantatra ny fahamarinan’ny zavatra rehetra” (Môrôni 10:5). Raha manana eritreritra hanao zavatra tsara ianao na fahatsapana fitiavana ho an’ny Mpamonjy, dia mety avy amin’ny Fanahy Masina izany!

Matetika ny Fanahy Masina dia tsy mampiasa feo mafy na manome fahatsapana be anao. Mangina sy mitondra fiadanana izany. Mety ho mila fampiharana ny fianarana manaraka ny Fanahy Masina.

Vitanareo izany!

Namana

Ny eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina dia manazava ny lalantsika miverina any amin’ny Ray any An-danitra. Lokoy ny takamoa tsirairay rehefa mamaky ireo fomba sasany ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao ianao.

Ny Fanahy Masina dia afaka …

  • mameno fitiavana, fifaliana, fiadanana, finoana, ary fanantenana.

  • manome hevitra ahy ho entina manampy sy manompo.

  • manampy ahy hahatsiaro ireo zavatra tsara.

  • manampy ahy hahafantatra ny marina.

  • manampy ahy hahatakatra ny zavatra ianarako.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Hamoaka printy