Namana
Hery avy amin’ny tempoly
Mey 2024


“Hery avy amin’ny tempoly,” Namana, mey 2024, 2–3.

Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Hery avy amin’ny tempoly

Notsoahina avy tamin’ny “Mifalia amin’ny fanomezampahasoavan’ny fanalahidin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2024, 119–21.

Nividy ny Tempolin’i Kirtland Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny martsa. Ampahany manan-danja amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy io tempoly io.

Niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery tao amin’ny Tempolin’i Kirtland i Jesoa Kristy tamin’ny 3 aprily 1836. Neken’ny Mpamonjy ho tranony masina ilay tempoly. Nampanantena Izy tamin’izay hoe: “Izaho haneho ny tenako amin’ny vahoakako amin’ny famindram-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:7). Mihatra amin’ny tempoly rehetra io fampanantenana io ankehitriny.

Afaka mahazo ny valin’ny vavakao ianao ao amin’ny tempoly. Afaka mahazo finoana, tanjaka, fampiononana, fahalalana ary hery ihany koa ianao. Hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy sy hahatakatra ny tena maha-ianao anao sy ilay olona mety hahatongavanao ny fotoana lany ao amin’ny tempoly. Hanampy anao hahatakatra ny anjara toeranao eo amin’ny drafitra mahatalanjon’ Andriamanitra izany. Mampanantena anao an’izany aho.

Sary
Ny Tempolin’i Kirtland

Tempolin’i Kirtland

Sahanasa hanetezan-tsary

Hetezo manodidina ny sisin’ny Tempolin’i Kirtland. Dia aforeto avy eo eo amin’ireo tsipika mitsitapatapaka ary araiketo miaraka ireo sisiny sy ny tafony.

Inona moa ilay Tempolin’i Kirtland?

Ny Tempolin’i Kirtland dia naorina tao Kirtland, Ohio, Etazonia tamin’ny 1836. Io no tempoly voalohany an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

Taty aoriana dia tsy maintsy nandao izany ireo mpikamban’ny Fiangonana mba hifindra tany andrefana. Fiangonana iray hafa no nikarakara ilay trano nandritra ny taona maro. Vao haingana Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no nividy ilay tempoly.

Sary
Pejy PDF

Sary hosodoko nataon’i David Green

Hamoaka printy