Namana
Ry ray aman-dreny malala
Mey 2024


“Ry ray aman-dreny malala,” Namana, Mey 2024, fonony ao ambadika.

Ry ray aman-dreny malala,

Ny fanasan’ny Tompo dia fanomezana avy amin’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika hahatsiaro sy hanara-dia Azy isan-kerinandro. Azonao vakiana ny hoe “Madio indray” (pejy 18) hanampiana ireo zanakao lehibe kokoa hieritreritra momba ny fomba hanampian’ny fanasan’ny Tompo antsika hitandrina ny fanekempihavanantsika. Vakio miaraka amin’ireo ankizy kely kokoa ny “Afaka manara-dia an’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo” (pejy 44). Resaho ny zavatra ataontsika mandritra ny ampahany tsirairay amin’ny fanasan’ny Tompo. Azonao vakiana miaraka amin’ireo zanako ihany koa ireo vavaky ny Fanasan’ny Tompo. Asaivo mihazona sarin’i Jesoa Kristy izy ireo isaky maheno ny anarany. Hanampy azy ireo hieritreritra Azy izany mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Amim-pitiavana,

Namana

Sary
Pejy PDF

Hamoaka printy