2023
Ny fomba ahafahanao ho lasa misiônera
Jolay 2023


“Ny fomba ahafahanao ho lasa misiônera”, Namana, jolay 2023, 2–3.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ny fomba ahafahanao ho lasa misiônera

Namboarina avy amin’ny “Mitory ny filazantsaran’ny fiadanana”, Liahona, mey 2022, 6–7; sy ny “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”, Liahona, nôv. 2010, 47–49.

Sary
I Jesoa Kristy miresaka amin’ireo mpianany

Ny Tompo dia nilaza tamin’ny mpianany hoe “mandehana … any amin’izao tontolo izao, ary mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra” (Marka 16:15). Mendrika ny hanana fahafahana hahafantatra ny tsirairay hoe aiza no hahitany ny fanantenana sy ny fiadanan’i Jesoa Kristy. Manana andraikitra masina ny hizara ny fiadanan’i Jesoa Kristy amin’izay rehetra hihaino isika tsirairay.

Azonao atao ny manampy ny hafa hahita ny fiadanan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny:

  • Ohatra tsara asehonao.

  • Fanarahana an’i Jesoa Kristy mba hamirapiratan’ny fahazavany eo amin’ny masonao.

  • Fanitaranao ny vondron’olona raisinao ho namana.

  • Fanasana ny namana iray hamaky ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanasana ny namana iray hiaraka aminao hanatrika fivoriam-piangonana na fiaraha-mientana.

Afaka manapa-kevitra ny hanao asa fitoriana koa ianao rehefa lehibe kokoa. Hitahy anao sy ny maro hafa izany.

Vondron’olona raisina ho namana

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Garth Bruner

Eo amin’ny sary etsy ambany, jereo hoe namana firy mandritra ny fiaraha-mientan’ny Kilonga iray no:

  • Manana volo mainty

  • Manao akanjo ambony mavo

  • Mirandrana

  • Manao solomaso

  • Manana kitapo babena maitso

  • Manao kiraro menamena

  • Mampiasa seza misy kodiarana

  • Manana baolina

Hamoaka printy