2023
Tilikambon’ny finoana
Jolay 2023


“Tilikambon’ny Finoana,” Namana, jolay 2023, 10–11.

Tilikambon’ny finoana

Tian’i Dashanel ho avo sy matanjaka ny finoany an’i Kristy.

Tany Jamaika no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Mpiray tampo mampifanaingina kaopy ary mijery izany ny misiônera

Nanampy ny zokiny lahy namoaka ny mofo misy noix tao anaty lafaoro i Dashanel. Tsara be ny fofon’ilay izy!

Avy eo henony nisy nandondona tao am-baravarana. “Tonga ato ny misiônera!” hoy ny rahavaviny niantso.

Nihazakazaka nankeny am-baravarana i Dashanel. Tiany rehefa tonga ny misiônera. Nanana fahatsapana tsara foana izy rehefa nitsidika izy ireo. Nitondra kilalao ho azy sy ny iray tampo aminy mba holalaovina izy ireo indraindray.

“Nanao mofo misy noix indray i Tyrell!” hoy i Dashanel. Tian’ny anadahiny ny manao sakafo ho an’ny misiônera.

“Tsy andriko izany izay hanandramana kely,” hoy Elder Colas. Niditra izy sy Elder Yusaki ary nipetraka tamin’ny tany. Nipetraka nifanatrika tamin’izy ireo i Dashanel, ny anadahiny sy ny rahavaviny ary i Neny.

“Inona no hataontsika amin’ny lesona anio?” hoy i Dashanel nanontany.

Namoaka kaopy maro Elder Yusaki. “Hanorina tilikambon’ny finoana isika. Ny tsirairay amin’ireto kaopy ireto dia maneho zavatra azontsika atao mba hanorenana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.”

Nanomboka nampifanaingina ny kaopy hanaovana tilikambo Elder Yusaki. Hitan’i Dashanel fa nisy teny toy ny hoe “vavaka,” “fandalinana soratra masina,” ary “fiangonana” voasoratra teo amin’ireo kaopy.

“Ireo daholo ny zavatra rehetra nangatahinareo hataonay mianakavy,” hoy izy.

“Marina izany,” hoy Elder Colas. “Rehefa manao ireo zavatra ireo ianareo dia manorina ny finoanareo an’i Jesoa Kristy.”

Nifandimby nanorina ny tilikambon’izy ireo tamin’ny kaopy avy i Dashanel sy ireo iray tampo aminy teo am-pihainoana ny lesona.

Rehefa lasa ireo misiônera dia nieritreritra ny zavatra nampianarin’izy ireo i Dashanel. Tiany ho avo sy matanjaka tahaka ilay tilikambo naoriny ny finoany an’i Kristy.

Rehefa nandeha ny volana dia nianatra bebe kokoa momba ny filazantsara avy tamin’ireo misiônera i Dashanel. Nanomboka nandeha niangona niaraka tamin’ny fianakaviany izy. Nalainy sary an-tsaina ho nihaavo hatrany ny tilikambon’ny finoany.

Indray andro, rehefa lasa ireo misiônera, dia niresaka tamin’i Neny i Dashanel. “Azo atao batisa ve aho?” hoy izy nanontany.

“Azonao antoka ve fa vonona ianao?” hoy i Neny.

“Eny,” hoy i Dashanel. “Te hanara-dia an’i Jesoa aho.”

“Eny ary,” hoy i Neny. “Raha tianao, dia azo atao batisa ianao.”

Nisafidy ny hatao batisa koa ny anadahin’i Dashanel sy ny rahavaviny. Nilaza i Neny fa mbola tsy vonona ny hatao batisa izy.

Sary
Misiônera manao batisa ankizivavy iray

Nanao akanjo fotsy i Dashanel sy ireo iray tampo aminy tamin’ny andro nanaovana batisa azy ireo. Samy niandry tamim-paharetana ny hatao batisa izy ireo.

Rehefa tonga ny anjaran’i Dashanel dia nanampy azy ho ao anaty rano Elder Yusaki. Avy eo izy dia nilaza ireo teny ao anatin’ny vavaky ny batisa ary nandetika azy tao anaty rano. Rehefa niverina niakatra i Dashanel, dia tsy nijanona nitsiky izy! Nahatsapa ho faly sy madio izy. Tsy te hanadino izany fahatsapana izany velively izy.

Nanohy nanao zavatra mba hanorenany ny finoany an’i Jesoa Kristy i Dashanel. Namaky ny soratra masina niaraka tamin’ny fianakaviany izy. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra izy. Nanao zavatra tsara ho an’ny hafa izy. Ary tsaroany ny zavatra tsapany tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy. Tiany hanana izany fahatsapana izany koa i Neny.

“Neny a! Fa maninona ianao no tsy atao batisa?” Hoy i Dashanel indray andro.

Nangina nandritra ny fotoana fohy i Neny. “Naneho ohatra tsara ho ahy ianao. Ankehitriny dia mila maneho ohatra ho anao aho,” hoy izy. “Te hatao batisa koa aho.”

Tena faly i Dashanel tamin’ny andro nanaovana batisa an’i Neny. Rehefa niakatra avy ao anaty rano i Neny dia nitsiky ny rehetra. Afaka niaraka nanorina ny tilikambon’ny finoan’izy ireo amin’izay ny fianakavian’i Dashanel iray manontolo.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Tallent

Hamoaka printy