2023
“ Ny fanadiovana zaridaina
Jolay 2023


“Ny fanadiovana zaridaina,” Namana, jolay 2023, 4–5.

Ny fanadiovana zaridaina

“Iza no azontsika asaina mba hanampy antsika?”

Tany Angleterre no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Reny sy ankizilahy manao fonon-tanana fikarakarana zaridaina sy mihazona hetibe

Nihinana ilay sakafony farany azo atao indraim-bava i Jonah ary nitsiky. Nahafinaritra kokoa foana ny sakafo hariva rehefa tonga mamangy ny misiônera.

“Te hizara hafatra momba ny fanompoana aminareo izahay,” hoy Rahavavy Kearl. “Nahoana no zava-dehibe ny manompo ny hafa?”

“Satria mahafaly an’i Jesoa izany!” hoy i Eliza, zandrin’i Jonah vavy.

“Marina ny anao! Tena mahafaly Azy izany. Ary rehefa manampy ny hafa isika dia mahafaly antsika koa izany,” hoy Rahavavy Christensen. “Mahafantatra olona mila fanampiana ve ianareo?”

Nieritreritra kely i Jonah. “Tsy mahita olona aho, fa ny zaridainanay any am-pianarana no mety mila fanampiana.”

“Hevitra tsara izany,” hoy i Neny.

Nisy zaridaina nahafahan’izy ireo nanao zavatra an-kalamanjana tany amin’ny sekolin’i Jonah. Saingy efa ela ilay zaridaina no tsy nisy na iza na iza nikarakara. Naniry be ny kirihitra. Nisy ahi-dratsy be dia be ihany koa.

“Tianay ny hanampy anao amin’izany!” hoy Rahavavy Kearl. “Iza no azontsika asaina mba hanampy antsika hanadio?”

“Ireo zanaky ny iray tampo amin’ny ray aman-dreninay!” hoy i Jacob, rahalahin’i Jonah.

“Sy ny ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonganay,” hoy i Jonah.

Ny ampitson’iny dia niresaka tamin’olona tany an-tsekoly i Neny mba hahazoana lalana. Nisafidy andro iray hanadiovana ny zaridaina izy ireo. Avy eo dia nampian’i Neny hiantso ireo zanaky ny iray tampo amin’ny ray aman-drenin’izy ireo sy ny ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga i Jonah sy ireo iray tampo aminy.

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana dia nihaona tamin’ireo misiônera tany an-tsekoly i Jonah sy ny fianakaviany. Teo koa ireo zanaky ny iray tampo amin’ny ray aman-drenin’izy ireo sy ireo naman’izy ireo ao amin’ny Kilonga. Tonga ny fotoana hiasana!

Nametaka fonon-tanana lehibe vita amin’ny fingotra izay fikarakarana zaridaina i Jonah. “Jereon’i Neny. Ngeza be ny tanako!”

Nihomehy i Neny. “Azonao ampiasaina hanampiana amin’ny fandrantsanana ireto kirihitra ireto ireny tanana be ireny.”

Nomeny hety izay toa hety goavana i Jonah. Avy eo dia nanampy azy nanapaka ireo sampana efa maty izy.

“Mahafinaritra ilay izy”, hoy i Jonah.

Sary
Ankizivavy sy rahavavy misiônera mitazona lapelina

Nanampy nandavaka manodidina ny zaridaina i Eliza teo am-pandrantsanan’i Jonah. Nanampy an’i Dada nanamboatra tranom-borona vaovao i Jacob. Ny hafa kosa nanongotra ahi-dratsy sy nanangona tapatapa-kazo. Nataon’izy ireo tao anaty harona plastika manga lehibe izany rehetra izany. Na dia i Ezra izay faralahy amin-dry Jonah aza dia nanampy tamin’ny fitsimponana vato.

Tsy ela dia nadio ny zaridaina. Nanisa ny harona fenon’izy ireo i Jonah. “13 no isan’ny harona!” hoy izy. “Fako be dia be mihitsy no nesorintsika.”

Nitsiky Rahavavy Christensen. “Mila ny hoza-ben’ny rehetra amin’izay izahay mba hanampy anay hitondra an’ireo ho any amin’ny fiara.”

Samy nandray harona iray avy i Jonah sy i Jacob ary i Eliza. Faly i Jonah teo am-pampakarana ilay harona iray farany ho ao anaty fiara. Nahafinaritra ny nanampy ny misiônera. Naniry ny ho lasa misiônera koa izy indray andro any. Mandra-pahatongan’izany, dia nisy fomba maro nahafahany nanompo. Tsy andriny mihitsy ny hieritreretra ny tetikasany manaraka!

Sary
alt text

Sary nataon’i Samara Hardy

Hamoaka printy