2023
Ilay fikambanana kely hanampiana olona
Jolay 2023


“Ilay fikambanana kely hanampiana olona,” Namana, jolay 2023, 20–21.

Ilay Ilay fikambanana kely hanampiana olona

Nahalala fomba iray ahafahany manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy i Josie.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizivavy roa mitazona sora-baventy

Nipetraka teo ambanin’ny hazo iray teo ivelan’ny tranony niaraka tamin’i Ashlyn zanaky ny iray tampo amin’ny mamany i Josie.

“Inay anie mba nisy zavatra mahafinaritra azontsika atao hahazoam-bola,” hoy i Josie.

“Angamba afaka mahazo vola isika amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra ho an’ny olona”, hoy i Ashlyn.

“Ahoana raha manao fikambanana kely isika?” Nitsambikina tamim-pientanentanana i Josie. “Toy ny fikambanana kely mpitaiza biby fiompy ao an-trano na fikambanana kely mpitondra alika mandehandeha.”

“Afaka manao karazan-javatramaro isika,” hoy i Ashlyn. “Mila fanampiana foana ny olona. Ary handoa vola amintsika izy ireo.

Marina ny tenin’i Ashlyn. Isan’andro dia nahita olona nila fanampiana i Josie.

Tampoka teo dia nahita hevitra hafa i Josie. Nahatsapa hafanana tao anatiny izy. Nampahatsiahy azy ny batisany tamin’ny taon-dasa izany. Nampanantena izy fa hahatsiaro an’i Jesoa mandrakariva ary hanaraka ny ohatra nasehony. Nahafantatra fomba iray azony nanaovana izany izy.

“Ahoana raha manao fikambanana kely manampy olona maimaim-poana isika?” Hoy i Josie nanontany. Nihamafy kokoa ilay fahatsapana hafanana.

Nihiratra ny mason’i Ashlyn. “Tena hahafinaritra izany,” hoy izy. “Afaka manampy olona any am-pianarana sy any am-piangonana isika, saika na aiza na aiza.”

Sary
Ankizivavy iray manofahofa tanana amina ankizivavy iray hafa

“Azontsika antsoina hoe Ilay fikambanana kely hanampiana olona izany!” Hoy i Josie. “Andao hatomboka rahampitso any am-pianarana izany.”

Ny ampitson’iny, nandritra ny fotoana fakan-drivotra, dia nihazakazaka nankeny amin’ny sisin’ny tokotany filalaovana i Ashlyn sy i Josie.

“Mahita olona azontsika ampiana ve ianao?” Nijoro tamin’ny rantsantongony i Ashlyn ary nijery teny amin’ny fikorisana misy dongondongona izay miloko araka ny lokon’ny avana.

“Tsy mbola.” Nijery teny amin’ny vy fihanihana sy ny antsavily i Josie. Nikorisarisa sy nisavilivily ny ankizy. Nanatontontontona baolina sy nitsambikimbikina tamin’ny tady izy ireo. Tena ohatra ny tsy nisy nila fanampiana izany. Ohatra ny nana-namana daholo ny rehetra. Avy eo dia nahita zazavavy kely iray izy izay irery niaraka tamina tady fitsambikimbikinana.

Noraisin’i Josie ny tanan’i Ashlyn. “Jereo itsy!”

Nahita tady fitsambikimbikinana i Josie sy i Ashlyn ary nandeha nanatona an’ilay ankizivavy.

“Manahoana!” Josie no anarako.”

“Ary Ashlyn no anarako. Iza no anaranao?”

Ohatra ny gaga ilay ankizivavy. “Leslie no anarako.”

“Tianao ve ny hiara-milalao aminay?” Nihazona tady fitsambikimbikinana i Josie.

Sary
Ankizivavy miara-mitsambikimbikina amin’ny tady.

Nitsiky i Leslie. “Ie!”

Nampianarin’i Ashlyn sy i Josie fomba vaovao fitsambikimbikinana amin’ny tady i Leslie. Rehefa naneno ny lakolosy dia nifanao veloma izy ireo. Nahatsapa ho sambatra tao anatiny i Josie. Fantany fa ny Fanahy Masina izany.

Taorian’izay, isaky ny nahita an’i Leslie tao amin’ny lalantsara i Josie sy i Ashlyn, dia niarahaba azy izy ireo.

Nitady olona maro kokoa hampiana i Josie sy i Ashlyn. Niteny zavatra mahafinaritra tamin’ny olona izy ireo indraindray ary niezaka nampahery azy ireo. Indraindray izy ireo nanasa ankizy hiara-milalao amin’izy ireo.

Indray andro nitsiky tamin’ny ankizilahy iray tany ivelan’ny sekoly i Josie. “Tiako ny akanjo amboninao misy sarina dinôzôro,” hoy izy.

Nitsiky ilay ankizilahy ary nijery ny akanjo amboniny. “Misaotra.”

Sary
Ankizivavy miresaka amina ankizilahy

Teo am-pipetrahana i Josie dia nahatsapa fa tsy nieritreritra ny hanao izany ho an’ilay fikambanana kely akory izy! Vao avy nataony anefa izany.

Nieritreritra ireo namana rehetra azony hatramin’ny nanombohan’izy sy i Ashlyn ny fikambanana kelin’izy ireo i Josie. Tena tian’i Josie ilay manampy olona. Nahatonga azy haniry hanao zavatra tsara misimisy kokoa ho an’ny hafa izany. Ilay fikambanana kely hanampiana olona dia nahatonga azy ho olona tsara kokoa. Ary tena tsara ny fahatsapana izany.

Sary
alt text

Sary nataon’i Tania Rex

Hamoaka printy