2023
I Petera mpaminany
Jolay 2023


“I Petera mpaminany,” Namana, jolay 2023, 46–47.

Tantara ao amin’ny soratra masina

I Petera mpaminany

Sary
alt text

Sary nataon’i Apryl Stott

Taorian’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty sy nankanesany any an-danitra, dia lasa mpaminany i Petera.

Sary
alt text

Nampianatra ny olona momba ny batisa sy ny Fanahy Masina i Petera. Olona an’arivony no nisafidy ny hatao batisa!

Sary
alt text

Indray andro, nahita lehilahy iray teo ivelan’ny tempoly i Petera. Tsy afaka nandeha ilay lehilahy. Hoy i Petera: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, mitsangàna, ka mandehana.”

Sary
alt text

Sitrana noho ny finoany ilay lehilahy! Nampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy tao amin’ny tempoly i Petera.

Hamoaka printy