2023
Nangataka antsika hizara ny filazantsara i Jesoa
Jolay 2023


“Nangataka antsika hizara ny filazantsara i Jesoa,” Namana, jolay 2023, 24–25.

Tantaran’i Jesoa

Nangataka antsika hizara ny filazantsara i Jesoa

Esory ity pejy ity ary aforeto roa. Hazony ambony ilay sary avy eo rehefa mitantara ilay tantara ianao.

Sary
alt text

Taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty dia namangy ireo Apôstôliny i Jesoa. Nomeny trondro sy mofo hohanina izy ireo.

Nanontany i Petera i Jesoa hoe: “Moa tia Ahy va ianao?”

Eny, hoy i Petera. Dia hoy i Jesoa: “Fahano àry ny ondriko.”

Namerina nanontany izany indroa indray an’i Petera i Jesoa. “Moa tia Ahy va ianao?”

Samy novalin’i Petera hoe eny izany. Ary nilaza i Jesoa tao anatin’ireo hoe: “Fahano àry ny ondriko”.

Fantatr’i Petera fa nangataka azy hizara ny filazantsara i Jesoa. I Jesoa no Mpiandry antsika ary isika no ondriny.

Azontsika atao ny maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa hianatra momba Azy sy hanaraka Azy.

Hamoaka printy