2023
Nanomboka teo amin’ny kianja filalaovana baseball iray izany
Jolay 2023


“Nanomboka teo amin’ny kianja filalaovana baseball izany,” Namana, jolay 2023, 32.

Namana mankany amin’ny namana

Nanomboka teo amin’ny kianja filalaovana baseball iray izany

Avy amina resadresaka niarahana tamin’i Lucy Stevenson Ewell.

Sary
alt text

Sary nataon’i Brian Michael Weaver

Tamin’izaho 13 taona, dia nilalao tao amin’ny ekipana baseball iray niaraka tamina namana vitsivitsy aho. Tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho, fa ny roa tamin’ireo mpiray ekipa tamiko no mpikambana.Kambana izy ireo. Rob sy Lane no anaran’izy ireo.

Indray andro, tany am-panaovana fanazaran-tena, dia nanasa ahy mba hanatrika takarivan’ny mpianakavy miaraka amin’ny fianakaviany izy ireo. Tsy fantatro hoe inona izany takarivan’ny mpianakavy izany, ka nanontany momba izany aho. Nolazain’izy ireo tamiko fa hianatra momba ny zavatra mahakasika ny fiangonana sy hihira izahay. Tsy dia tena nampientanentana ahy izany. Nampanantena anefa izy ireo fa hisy tsindrin-tsakafo, ka nanapa-kevitra ny handeha aho.

Nankany an-tranon’izy ireo hanao takarivan’ny mpianakavy ny fianakaviako. Nahatsapa zavatra hafa mihitsy aho. Tsy fantatro hoe inona ilay izy, fa toy ny zavatra efa tsapako fotsiny. Nahafinaritra ilay izy. Nahatsapa izany koa ny reniko.

Tsy fantatro tamin’izany fa mpikamban’ny Fiangonana ny reniko.Natao batisa izy fony zatovovavy. Saingy zara raha nandeha niangona izy.

Taorian’io alina io dia nanomboka nandeha niangona indray ny reniko. Niaraka taminy mba hianatra bebe kokoa aho. Volana vitsivitsy taty aoriana dia nataon’ny dadan’i Rob sy i Lane batisa aho.

Feno fankasitrahana aho fa niraharaha ahy i Rob sy i Lane ka nizara ny filazantsara. Ankehitriny dia fitahiana ho ahy nyfananana fianakaviana mandrakizay. Ary izany rehetra izany dia nanomboka teo amin’ny kianja filalaovana baseball iray!

Tahaka an’i Rob sy i Lane dia misy fiantraikany mahery vaika eo amin’ny hafa ianao. Afaka mitondra fiovana eo amin’ny fianakavianao ianao. Afaka mizara ny filazantsara amin’ny namanao ianao.

Hamoaka printy