2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely
Jolay 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely” Namana, jolay 2023, 49.

Testamenta Vaovao

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely

Sary
alt text

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 1–5

Ampio ny ankizy kely sahaninareo hilaza hoe: “Afaka manaraka ny mpaminany aho.” Asehoy azy ireo ny sarin’ny Filoha Nelson ary hirao ny fiverenana isan’andinin’ilay hira hoe “Araho hatrany ny Mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58). Miresaha momba ny fotoana iray izay nanarahanao ny mpaminany.

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 6–9

Vorio ny ankizy kely sahaninao ary vonoy ny jiro ao anaty efitrano iray. Mampiasà lampe de poche mba hitarihana azy ireo manodidina ny efitrano. Hazavao fa ny Fanahy Masina dia toy ny lampe de poche iray satria afaka mitarika antsika sy manoro antsika ny lalana Izy.

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 10–15

Miaraka amin’ireo ankizy kely sahaninao, mijere sarin’ankizy manana volon-koditra, karazam-batana ary fahaiza-manao ara-batana samihafa. Hazavao fa tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. Ampio ny ireo ankizy kely sahaninao hanao sarina fo amin’ny tanany ary hihazona izany eo akaikin’ireo sary.

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 16–21

Ampio ireo ankizy kely sahaninao hanamboatra mari-pamantarana ny misiônera fanao eo amin’ny tratra izay ahitana ny anaran’izy ireo sy ny anarana fenon’ny Fiangonana. Hazavao fa ny misiônera dia mampianatra ny olona momba an’i Jesoa. Apetaho amin’ny scotch ilay mari-pamantarana ny misiônera fanao eo amin’ny tratra ary ampio hilaza ny antony itiavan’izy ireo an’i Jesoa ireo ankizy kely sahaninao.

Hamoaka printy