2023
Inona no ao an-tsainao?
Jolay 2023


“Inona no ao an-tsainao,” Namana, jolay 2023, 42.

Inona no ao an-tsainao?

Tsy nofehezina tany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniko.Midika ve izany fa tsy afaka ny ho ao anatin’ny fianakaviana mandrakizay iray aho?

— Olona iray manontany tena any Varsovie

Sary
alt text

Ry olona iray manontany tena,

Zanaky ny ray aman-dreny any an-danitra ianao. Na dia talohan’ny nahatongavanao teto an-tany aza dia anisan’ny fianakavian’izy ireo ianao. Ary tsy hiova mihitsy izany! Koa na ahoana na ahoana dia ho ao anatina fianakaviana mandrakizay foana ianao!

Tena tia anao sy ny ray aman-dreninao ny Ray any An-danitra. Tiany hiverina any Aminy ianareo rehetra.Hanohy hitahy sy hitari-dalana anao sy ny fianakavianao Izy.Mivavaha Aminy momba ny fanahianao, dia hampionona anao Izy.

Amim-pitiavana,

Ny Namana

Ataovy sary ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianao sy ny zavatra iray tianao momba azy ireo! Tadiavo ilay tsara ao amin’ny fianakavianao. Lazao azy ireo ny zavatra hitanao!

Hamoaka printy