2023
Tantara momba ny batisa
Jolay 2023


“Tantara momba ny batisa,” Namana, jolay 2023, 30–31.

Tantara momba ny batisa

“Ny mpamaky lay dia olona iray izay manao ny zavatra iray voalohany,” hoy i Mama.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Nihodinkodina sy nankafy ny akanjony fotsy teo amin’ny fitaratra i Mary. Io akanjo io ihany no nanaovan’ny reniny tamin’ny batisany. Namboarin’i Bebe Marluce mba ho antonona tsara an’i Mary izany. Azon’i Mary nanaovana tamin’ny batisany amin’izay izay ilay izy!

“Mahafatifaty ianao!” Hoy i Neny nandray ny tanan’i Mary sy nanodinkodina azy indray.

Nitsikanikany i Mary.“Azoko hanaovana mandritra ny andro iray manontolo ve ity?”

“Aleo hotehirizintsika mba hanaovana amin’ny batisanao mba hijanona ho tsara sy madio, METY VE?” Hoy i Neny.

“ENY ARY.” Natao batisa i Mary rehefa feno valo taona, ary efa niomana elaela izy. Nandeha nanatrika ny Kilonga izy, namaky soratra masina, ary nandeha nanatrika ny batisan’ny namany mihitsy aza.Saingy toy ny mbola lavitra be ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahany!

Nifamihina tamin’i Neny teo ambonin’ny sezalava i Mary. “Neny a! Firy taona ianao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao?”

“16 taona aho.”

“Oay! Fa maninona ianao no niandry ela be?”

Sary
1. A young woman being baptized at 16. 2. A young woman and her mother are driving in a car and see a temple in the distance. 3. An eleven year old boy going to Church by himself. 4. Mary imagining her own baptism

Nofihinin’i Neny mafy i Mary. “Satria tsy nahalala momba ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny aho raha tsy tamin’izany fotoana izany. Saingy nanomboka nandeha nanatrika ireo fiaraha-mientan’ny Fiangonana niaraka tamina namana aho. Ary arakaraka ny nianarako zavatra no naniriako hatao batisa!”

“Fa maninona?” Hoy i Mary nanontany.

“Satria te hanana fianakaviana mandrakizay aho.” Notondroin’i Neny ny sarin’ny tempoly nihantona teo ambonin’izy ireo. “Nianatra aho fa indray andro any dia ho afaka ny hofehezina amin’ny fianakaviako any amin’ny tempoly mandrakizay. Nofinofiko ny hanana fianakaviana mandrakizay. Ary ny batisa no dingana voalohany!Ankehitriny dia tanteraka ny nofinofiko.”

Nitsiky i Mary. “Manana an’i Dada sy i Mallory ary i Maeva kely ianao! Ary izaho koa, mazava ho azy.”

“Ie, mazava ho azy!Ary i Bebe Angela.”

“Niara-natao batisa taminao ve i Bebe?”

“Niandry taona vitsivitsy izy.Saingy isaky ny nandeha teny akaikina tempoly izahay dia tianay ny mijanona mijery azy ireny.”

Sary
1. A young woman being baptized at 16. 2. A young woman and her mother are driving in a car and see a temple in the distance. 3. An eleven year old boy going to Church by himself. 4. Mary imagining her own baptism

Nieritreritra momba an’i Neny sy i Bebe niara-nijery tempoly i Mary.“Ary ahoana ny amin’i Dada? Firy taona izy tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy?”

“11 taona izy.”

“Dia nipetraka tany Brésil izany izy?”

“Izay mihitsy,” hoy i Neny. “Misy olona maneran-tany mianatra momba an’i Jesoa sy ny batisa. Maro amin’izy ireny no mpamaky lay.”

“Mpamaky lay?”

“Ny mpamaky lay dia olona iray izay manao ny zavatra iray voalohany,” hoy i Mama nanazava.

Nieritreritra an’izany i Maria. “Tahaka ny naha-olona voalohany anao izay natao batisa tao amin’ny fianakavianao ve?”

Niatoka nanaiky izany i Neny ary nitsiky.

Tamin’izay fotoana izay no niditra tao amin’ny efitrano i Dada ary nisisika teo amin’ny sezalava.

“Dada a! Mpamaky lay ve ianao tao amin’ny fianakavianao?”

“Karazandrazany. Rehefa vita batisa aho, dia hitako fa efa mpikambana tao amin’ny fiangonanay i Bebe Rosimere! Saingy tsy nandeha niangona an-taonany maro izy.”

“Marina ve? Inona no nitranga?”

“Nanomboka nankany am-piangonana aho. Avy eo dia nanomboka nandeha ny rahalahiko, ary avy eo i Bebe Rosimere koa. Na i Bebe Marluce aza mba nanatevin-daharana koa!”

Nalain’i Mary sary an-tsaina i Dada nandeha irery tany am-piangonana ary avy eo dia nitondra olona nisinisy avy amin’ny fianakaviany niaraka taminy.

Sary
1. A young woman being baptized at 16. 2. A young woman and her mother are driving in a car and see a temple in the distance. 3. An eleven year old boy going to Church by himself. 4. Mary imagining her own baptism

“Oay,” hoy i Mary. “Tiako ny mandre ny tantaranareo. Vao mainka mampientanentana ahy hatao batisa izany.”

“Misaotra ry Mary tamin’ny fametrahana ireny fanontaniana rehetra ireny taminay,” hoy i Dada. “Afaka mametraka fanontaniana anankiray aminao amin’izay ve izahay?”

Niatoka nanaiky izany i Mary. Inona no hanontanian’izy ireo?

“Nahoana ianao no te hatao batisa?”

Sary
1. A young woman being baptized at 16. 2. A young woman and her mother are driving in a car and see a temple in the distance. 3. An eleven year old boy going to Church by himself. 4. Mary imagining her own baptism

Nieritreritra ny zavatra nianarany tao amin’ny soratra masina sy ny zavatra tsapany tany am-piangonana i Mary. “Satria te hanaraka an’i Jesoa sy hiaraka amin’ny fianakaviako mandrakizay aho.”

Samy nitsiky i Neny sy i Dada, ary tonga dia nofihinin’i Mary tampoka ny ray aman-dreniny. “Tsy andriko ny hahatanterahan’izany!”

Sary
1. A young woman being baptized at 16. 2. A young woman and her mother are driving in a car and see a temple in the distance. 3. An eleven year old boy going to Church by himself. 4. Mary imagining her own baptism
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Tammie Lyon

Hamoaka printy