“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, jolay 2023, 26–27.
Miara-manara-dia an’i Jesoa
Iori I., 8 taona, Aichi, Japon
Hailey P., 6 taona, Arizona, Etazonia
I Laura sy i Chiara ary i Davi R., 9 taona sy 8 taona ary 6 taona, São Paulo, Brésil
“Manorina an’i Ziona,” i Darius sy i David ary i Daniel U., 5 taona sy 2 taona ary 8 taona, Kharkiv, Ukraine
Jane T., 10 taona, Minnesota, Etazonia
“Manasaraka ny ranomasina mena i Mosesy,” Athziri P., 8 taona, Veracruz, Mexique
“Zanak’ Andriamanitra aho,” i Tommy sy i Jamie G., 11 taona sy 7 taona, Tennessee, Etazonia
Tsy hita ilay kilalaoko biby volovoloina tiako indrindra. Nitady azy aho ary nivavaka mba hahazo fanampiana. Herinandro taty aoriana dia hitan’ny rahalahiko ilay izy. Tsaroako ny lesona iray tao amin’ny Kilonga momba ny fomba amalian’ Andriamanitra vavaka. Mety haharitra andro iray na herinandro na 10 taona mihitsy aza izany, saingy mbola mamaly ny vavaka ataontsika Izy.
Hunter S., 9 taona, Colorado, Etazonia
Nandeha tany Utah, Etazonia, ny fianakaviako. Tamin’ny andro fahatsiarovana ny mpamaky lay, dia nankany amin’ilay toerana hoe This Is the Place Heritage Park izahay. Nahita ny tsangambaton’i Jane Elizabeth Manning, i Green Flake, i Hark Wales ary i Oscar Smith izahay. Izy ireo no anisan’ireo mpamaky lay voalohany niditra tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake.
August E., 8 taona, Washington, Etazonia
Nankany amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois izaho sy ny fianakaviako. Nieritreritra ireo mpamaky lay izay niasa mafy tamin’ny fanorenana ny tempoly sy ireo razambeko izay voatery nandao an’i Nauvoo sy niampita ny Reniranon’i Mississippi izay nivaingana aho. Tsy mbola ampy taona hidirana ao amin’ny tempoly aho, kanefa mahatsapa ho akaikin’ireo razambeko sy ny Fanahy Masina aho isaky ny manakaiky izany.
Rosalind Y., 8 taona, Iowa, Etazonia
Tiako ny maha-zokivavin’i Macy, izay tratran’ny Trisomie 21, ahy. Tiako ny manosika azy eo amin’ny antsavily ao amin’ny valan-javaboary sy ny manampy azy hiakatra amin’ny tohatra mba hidina eo amin’ilay fikorisana!
Ali R., 8 taona, Ontario, Canada
Manantena ny ho lasa misiônera aho indray andro any.
Ebenezer S., 11 taona, Grand Accra, Ghana