2023
Herim-po avy amin’ny Fanahy Masina
Jolay 2023


“Herim-po avy amin’ny Fanahy Masina,” Namana, jolay 2023, 29.

Nosoratanao

Herim-po avy amin’ny Fanahy Masina

Sary
alt text

Sary nataon’i Toby Newsome

Fony aho mbola kely, dia nilaza tamin’ny ray aman-dreniko ny dokotera fa tratran’ny tsy fahafaha-miteny amina toe-javatra sasany aho. Izany dia aretina fananana fitebitebena izay manasarotra ny firesahana amin’ny hafa. Tsy afaka niresaka afa-tsy tamin’ny olona akaiky ahy tao amin’ny fianakaviako aho.

Tsapako ho nitebiteby foana aho, indrindra raha misy olona miresaka amiko.Nampahazo aina ahy sy nampitony ahy ny fivavahana tsy tapaka. Nanatona mpanolotsaina iray tany an-tsekoly koa aho mba hahazoana fanampiana.Saingy tsapako ho toy ny tsy nisy fihatsarana mihitsy aho. Efa saika hilavo lefona aho saingy nanohy ny fananana finoana aho.

Efa nanakaiky ilay fahafenoako valo taona. Nasain’ny ray aman-dreniko namaky ny Bokin’i Môrmôna sy nivavaka aho mba hanampy ahy hanapa-kevitra ny hatao batisa na tsia. Nivavaka aho isan-kalina mba hanontany raha tokony hatao batisa. Mitovy foana ny valiny azoko: fahatsapana hafanana sy fahatoniana tao am-poko. Fantatro fa nilaza tamiko ny Fanahy Masina fa ny batisa no safidy mety.

Rehefa nomena ny fanomezana ny Fanahy Masina aho taorian’ny batisako, dia nandre teny feno fanantenana sy fitiavana ary fankaherezana. Fantatro fa hampionona ahy sy hanome herim-po ahy ny Fanahy Masina.

Nanapa-kevitra ny hiezaka hiresaka tamin’i Charlie namako akaiky indrindra aho. Niezaka nanao izany nandritra ny herinandro aho, saingy tena sarotra izany. Indray andro anefa, izaho sy i Charlie irery no tao amin’ny zaridainan’ny sekoly. Nivavaka mangina tao an-dohako aho. Ray any An-danitra ô, mba ampio aho hilaza teny iray farafahakeliny.

Avy eo dia nosokafako ny vavako ary niteny hoe: “Ahoana ry Charlie!” Tena gaga izy. Faly ery aho!

Taorian’io andro io dia mora kokoa ny nanatratra tanjona bebe kokoa. Tsy ela dia efa saika ny olona rehetra no niresahako! Feno fankasitrahana aho noho ny nanomezan’ny Fanahy Masina ahy herim-po hiresahana tamin’i Charlie.

Hamoaka printy