2023
Miresaka momba ny tantaram-pianakaviana i Benjamin
Jolay 2023


“Miresaka momba ny tantaram-pianakaviana i Benjamin,” Namana, jolay 2023, 36–37.

Miresaka momba ny tantaram-pianakaviana i Benjamin

I Benjamin dia avy any Buenos Aires, Argentine. Nametraka fanontaniana vitsivitsy taminy momba ny tantaram-pianakaviana izahay.

Sary
Zazalahy mipetraka mampifanindry ny tanany

Ahoana no nanombohanao nanao tantaram-pianakaviana?

Niaraka tamin’ny dadako no nanombohako nanao tantaram-pianakaviana. Niara-nanao izany isaky ny alahady izahay. Nanampy ahy hianatra ny fomba fampiasana ny FamilySearch ny dadako. Tsy maintsy nanao fanazaran-tena foana aho. Ankehitriny aho dia manao tantaram-pianakaviana miaraka amin’ny dadako na i Jasmina zanaky ny zokin’ny dadako lahy.

Sary
Ankizilahy iray mipetraka manoloana ny solosaina

Inona no zavatra tianao indrindra momba ny tantaram-pianakaviana?

Tiako ny mahita olona vaovao hampidirina ao amin’ny hazon-tetiaram-pianakaviako. Voalohany, mahita rakitsoratra tranainy aho. Avy eo dia mitady ny anaran’ny razako aho. Mahita ny daty nahaterahann’izy ireo sy ny toerana nahaterahan’izy ireo aho. Mahita ny toerana hafa nonenan’izy ireo koa aho.

Inona no zavatra nianarano momba ny razambenao?

Nahafantatra aho fa manana razambe avy any Italie sy Allemagne. Ny iray amin’ireo razambeko avy any Italie dia mitovy anarana amin’ny rahalahiko! “Santiago” no anaran’ny rahalahiko, izany hoe “Giacomo” amin’ny teny italiana. Fantatro koa fa tsy nitovy ny fanoratana ny anaranay.

Sary
Ankizilahy mitazona bolantany

Ahoana no fomba anampianao olon-kafa hanao tantaram-pianakaviana?

Manampy ny renibeko hampiasa ny FamilySearch aho. Nampianariko azy ny fomba fampidirana fahatsiarovana. Nanampy azy hampiditra olona tsy hita tao amin’ny hazon-tetiaram-pianakaviany ihany koa aho. Nanana anarana maro be ny havany sasany! Naharitra ela ny fampidirana azy rehetra. Saingy tena faly aho fa afaka nanampy azy hianatra mampiasa ny FamilySearch, tahaka ny nanampian’ny raiko ahy.

Sary
Telefaonina misy sarina ankizilahy manofahofa tanana eo amin’ny efijery

Inona avy ireo tetikasa momba ny tantaram-pianakaviana tianao hatao manaraka?

Te hanao horonan-tsary ho an’ny namako sy ny fianakaviako aho mba hanampiana azy ireo hianatra ny fomba fampiasana ny FamilySearch. Tamin’ny fotoana nanombohako dia tsy maintsy nianatra zavatra be dia be aho. Te hampianatra olon-kafa aho mba hahafahany manao toy izany koa.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Laura Zarrin

Hamoaka printy