2023
Maneho ny fiarahabana avy aty Népal
Jolay 2023


“Maneho ny fiarahabana avy aty Népal!” Namana, jolay 2023, 18–19.

Maneho ny fiarahabana avy aty Népal!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

Sary
alt text

Sary nataon’i Brenna Vaughan

I Népal dia firenena any Asie Atsimo. Olona eo ho eo amin’ny 30 tapitrisa no mipetraka any.

Saina manokana

Sary
alt text

I Népal no hany firenena manana saina tsy mahitsizoro! Misy masoandro sy volana eo amin’izany.

Ny tendrombohitra Everest

Sary
alt text

I Népal no itoeran’ny tendrombohitra avo indrindra eran-tany, izay 8849 m ny haavony. Olona maherin’ny 6000 no efa nihanika hatrany an-tampon’izany.

Namana hindoa

Sary
alt text

Ny ankamaroan’ny olona any Népal dia manaraka ny Hindoisma. Ao amin’io fivavahana io, ny ombivavy dia biby masina izay hajaina.

Dal Bhat

Sary
alt text

Isan’andro dia mihinana dal (voanemba) sy bhat (vary) ny olona. Matetika izy ireo no mihinana sakafo hafa miaraka amin’izany, toy ny curry misy legioma sy legioma nalona amin’ny ranom-binaingitra sy sira.

Ny Bokin’i Môrmôna

Sary
alt text

Ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo dia navoaka voalohany tamin’ny teny nepaley tamin’ny 2017. Tena faly tokoa ireo mpikamban’ny Fiangonana tany!

Hamoaka printy