2023
Kofta hatao sakafo antoandro
Jolay 2023


“Kofta hatao sakafo atoandro,” Namana, jolay 2023, 12–13.

Kofta hatao sakafo antoandro

“Inona io zavatra hafahafa haninao io?”

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizilahy iray mipetraka eo amin’ny latabatra fisakafoana

Nipetraka teo amin’ny latabatra i Roy ary nanokatra ny kitapo fitondrany sakafo. Vao avy nifindra monina ny fianakaviany, ary io no andro voalohany nianarany tao amin’ny sekoliny vaovao. Nanaovan’ny reniny kofta izay sakafo arimenianina tiany indrindra izy. Nientanentana izy hihinana ilay izy!

Novahan’i Roy ilay taratasy namonosana ilay kofta. Toy ny hena baolina lavalava mifintina ilay izy. Tiany ny fofon’ireo zava-manitra nandrahoina tao anatin’ilay hena. Ary ilay lavaka teo afovoany dia nahatonga izany ho toy ny kiririoka kely. Nataony teo amin’ny molony ilay izy ary notsofiny. Avy eo dia nihinana kely tamin’izany izy. Matsiro ery!

“E!,” hoy ilay ankizilahy iray teo ampitan’ny latabatra. “Inona io zavatra hafahafa haninao io?”

Tsapan’i Roy ho nitara-mena ny takolany. “Sakafo antoandroko io.”

“Ohatra ny tsy dia tsara loatra izy izany.” Nihomehy ilay ankizilahy.

Tsy hitan’i Roy izay holazaina. Tsy fantany hoe tsy nisy olon-kafa nihinana kofta tao. Tsy tiany ny hiheveran’izy ireo azy ho hafahafa! Noho izany, nampiriminy ny sakafo antoandrony dia nihazakazaka nivoaka naka rivotra izy.

Rehefa avy nianatra i Roy dia nahita an’i Neny nanokatra baoritra.

“Tsy te hitondra kofta any am-pianarana intsony aho,” hoy i Roy.

“Fa maninona?” Hoy i Neny nanontany. “Iny aza no tianao indrindra.”

Notantarain’i Roy taminy ny zava-nitranga tany am-pianarana. “Tena nahamenatrai lay izy!”

“Miala tsiny aho raha izany no zava-nitranga,” hoy i Neny. “Tsy mbola nihinana kofta ny ankamaroan’ny olona eto. Ahoana raha omentsika fahafahana hanandrana izany ny ankizy hafa?”

“Fa maninona?” Hoy i Roy nanontany. “Tsy hihinana izany ireny.”

“Ahoana no ahafantaranao izany raha tsy manontany ianao! Fantatro fa sarotra ny mahazo namana vaovao. Saingy zanak’ Andriamanitra daholo isika. Mila mifankahafantatra bebe kokoa fotsiny isika indraindray.”

Nieritreritra izany i Roy. Tsy te hihomehezana izy. Saingy tena te hanome fahafahana tsara kokoa ho an’ny ankizy mba hahatakaran’izy ireo izany izy mandritra ny sakafo antoandro izy . Ary tena matsiro ny kofta.

Niatoka nanaiky izany izy. “ENY ARY. Andao hanao betsaka kokoa.”

Ny ampitson’iny, teo am-pisakafoana antoandro, dia nifoka rivotra lalina i Roy. Nipetraka teo akaikin’ilay zazalahy nihomehy azy izy.

Nosokafan’i Roy ny kitapo fitondrany sakafo antoandro. “Misy te hanandrana sakafo arimenianina ve aminareo?”

Nitangorona nanodidina ny ankizy hafa rehefa nesorin’i Roy ny fonon’ilay kofta.

“Hanandrana aho”, hoy ilay ankizilahy.

“Izaho koa,” hoy ilay ankizivavy iray nanampy. Nampandehandehanin’i Roy ilay kofta mba hahafahan’ny rehetra manandrana izany. Dia samy nihinana kely daholo izy rehetra.

“Tena tsara izy izany!” hoy ilay ankizilahy. “Inona no anarany?”

“Kofta,” hoy i Roy.

“Tsara be!” Nitsiky ilay zazalahy. “John no anarako. Te hilalao ve ialahy rehefa maka rivotra?”

Niatoka nanaiky izany fotsiny no azon’i Roy natao fa feno ny vavany. Marina ny tenin’ny reniny. Zanak’ Andriamanitra daholo koa izy rehetra! Ary rehefa dinihina dia nanampy azy hahazo namana ny fizarana.

Sary
alt text

Sary nataon’i Mark Robison

Hamoaka printy