2023
Ilay Dada mahafinaritr’i Magnolia
Jolay 2023


“Ilay Dada mahafinaritr’i Magnolia,” Namana, jolay 2023, 40–41.

Ilay Dada mahafinaritr’i Magnolia

“Nolazain’ny ankizy sasany fa tsy fianakaviana tsara isika satria tsy mpikambana ao amin’ny fiangonantsika i Dada.”

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Fianakaviana mamaky ao amin’ny Baiboly

“Magnolia a!Lily a!”Hoy i Dada niantso. “Fotoanan’ny soratra masina sy vavaka!”

Nidaboka teo amin’ny tany teo akaikin’i Raindrop alikan’izy ireo, i Magnolia. Nibonoka ilay bodofotsy tiany indrindra i Lily.

Nahafinaritra ny fotoanan’ny soratra masina ho an’ny fianakaviana. Indraindray izy ireo dia niara-nilalao an-tsehatra ireo tantara ao amin’ny soratra masina. Nanampy an’i Magnolia haka sary an-tsaina ireo tantara izany. Ankoatra izany, nanampy foana i Raindrop rehefa nisy biby tao amin’ny tantara!

Nanokatra ny soratra masiny i Dada ary namaky andininy iray. Avy eo dia natolony an’i Magnolia ilay Baiboly lehibe sy mavesatra. Nifandimby namaky izy ireo.

“Ary aoka samy halemy fanahy amin’ny namany avy hianareo,” hoy i Magnolia namaky.*

Nikentrona Izy. Tsy tsara fanahy taminy foana ny olona tany am-piangonana.

“Dada sy Neny a! Afaka miresaka zavatra aminareo ve aho?” hoy izy nanontany.

“Mazava ho azy,” hoy i Neny. “Misy inona?”

“Tao amin’ny Kilonga omaly, nisy ankizy nilaza tamiko fa tsy fianakaviana tsara isika satria tsy mpikambana ao amin’ny fiangonantsika i Dada.”

Miangona any amina fiangonana hafa ny dadan’i Magnolia. Mandeha manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny fianakaviany izy isaky ny alahady. Nanao lahateny momba ny Fanahy Masina izy tamin’ny batisan’i Lily sy i Magnolia. Nilaza ny rehetra fa tsara be ny zavatra nataony. Dada mahafinaritra izy.

“Nahatonga ahy ho te hitomany ny zavatra nolazain’izy ireo.”Hoy i Magnolia nisento.“Nahoana ny olona no tsy maintsy ratsy fanahy toy izany?”

Nifampijery i Dada sy i Neny.

“Faly aho fa nolazainao taminay ny zava-nitranga,” hoy i Dada. “Mifankatia be izahay sy i Neny. Ary tena zava-dehibe aminay ny fianakaviantsika.”

Niatoka nanaiky izany i Neny. “Ary manan-danja amin’ny Ray any An-danitra koa ny fianakaviantsika. Tia ny zanany rehetra Izy.”

Nisisika teo amin’i Magnolia i Raindrop. Nohaoriny ny sofiny.

“Fantatry ny Ray any An-danitra isika ary fantany fa mifankatia isika,” hoy i Dada. “Tsy misy fianakaviana tonga lafatra, fa afaka miezaka manao izay tsara indrindra vitantsika isika.”

“Saingy mbola maharary ihany rehefa misy olona miteny zavatra mifono haratsiam-panahy momba ny fianakaviantsika,” hoy i Magnolia. “Nampianatra antsika ho tsara fanahy amin’ny olona rehetra i Jesoa. Ny filazana zavatra mifono haratsiam-panahy dia toy ny tsy fanarahana an’i Jesoa no fahitana azy.”

“Marina ny teninao,” hoy i Dada. “Angamba rehefa te hilaza zavatra mifono haratsiam-panahy ianao, dia afaka mahatsiaro ny zavatra tsapanao tamin’ny fotoana nanehoan’ny hafa haratsiam-panahy taminao ianao. Avy eo dia afaka miteny zavatra tsara ho solon’izany ianao.

Nifoka rivotra lalina i Magnolia. “ENY ARY.” Faly izy fa afaka niresaka tamin’i Dada sy i Neny.

“Fotoana ifamihinan’ny fianakaviana izao!” Nosintonin’i Dada i Lily sy i Magnolia mba hofihininy mafy ary nofihininy mafy tokoa izy ireo. Nofihinin’i Neny tamin’ny sandriny izy telo. Nihazakazaka nanodidina azy ireo i Raindrop.

Sary
Fianakaviana miara-mifamihina

“Sempotra aho!” hoy i Lily nivazivazy. Nihomehy i Magnolia.

“Ampahatsiahivo ahy amin’izay hoe anjaran’iza izao no mamaky?” Hoy i Dada nanontany. Navotsony ireo ankizivavy ary noraisiny ny soratra masiny.

“Anjarako!” hoy i Lily. “Dia anjaran’i Dada ny mivavaka.”

Rehefa vita ny vakiteny dia nandohalika nivavaka ny rehetra. Nahatsapa ho niadana i Magnolia teo am-pihainoana an’i Dada nanao ilay vavaka. Fantany fa tia ny fianakaviany ny Ray any An-danitra.

Sary
alt text

Sary nataon’i Constanza Basaluzzo

Hamoaka printy