2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Jolay 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy,”Namana, jolay 2023, 6–7.

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

Araho ny Mpitarika

Sary
alt text

Sary nataon’i Katy Dockrill

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 1–5

Tantara: Taorian’ny nahafatesan’i Jesoa dia nantsoina ho mpitarika ny Fiangonan’ny Tompo i Petera. Azonao atao ny mamaky io tantara io ao amin’ny pejy 46 na ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2–3.

Hira: “Aoka ho marina hatrany ianao” (Bokin-kiran’ny ankizy, 81)

Asa atao: Mifidiana olona iray ho mpitarika. Asaivo manao fihetsika ilay mpitarika (toy ny mitsambikimbikina mandeha amin’ny tongotra iray na mihodinkodina). Maka tahaka azy ireo ny hafa. Rehefa ovan’ilay mpitarika ny fihetsika dia maka tahaka ny fihetsika vaovao ny hafa. Mifandimbiasa manao mpitarika mandra-pandraisan’ny tsirairay anjara tamin’izany.

Manadiova indray

Sary
alt text

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 6–9

Tantara: Nisy lehilahy iray nantsoina hoe Saoly niezaka nandrava ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Avy eo dia nibebaka sy nanova ny fiainany izy. Lasa misiônera izy ary nampianatra ny olona momba an’i Jesoa Kristy. Nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe Paoly izy. (Jereo ny Asan’ny Apostoly 9:1–20.)

Hira: “He! Velona ny Ray” (Bokin-kiran’ny ankizy, 8)

Asa atao: Makà fotaka kely amin’ny tananao. Inona no tsapanao rehefa maloto ny tananao? Avy eo, sasao amin’ny savony sy rano ny tananao. Ny fanasana ny tanantsika dia mitovy amin’ny fibebahana. Noho i Jesoa dia afaka mibebaka sy afaka ny ho madio indray isika rehefa avy manota.

Fanambin’ny misiônera

Sary
alt text

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 10–15

Tantara: I Barnabasy sy i Paoly dia misiônera (jereo ny Asan’ny Apostoly 13:2–4). Nampianatra ny olona momba ny Mpamonjy izy ireo. Mampianatra ny olona momba Azy koa ny misiônera ankehitriny.

Hira: “Mba tantarao ireo tantaran’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 36)

Asa atao: Misafidiana fanamby iray ao amin’ny pejy 38–39 hiaraha-manao, toy ny fanompoana ny mpifanolobodirindrina. Ahoana no ahafahanao ho lasa misiônera amin’izao fotoana izao?

Sarinao

Sary
alt text

Ho an’ny Asan’ny Apostoly 16–21

Tantara: Nampianatra ny Apôstôly Paoly fa zanak’ Andriamanitra avokoa isika rehetra (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:28–29). Tia ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. Nomeny fanomezam-pahasoavana sy talenta samihafa isika tsirairay avy.

Hira: “Zanaky ny Ray aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3)

Asa atao: Manaova sarinao. Soraty eo an-tampony ny hoe “Zanak’ Andriamanitra aho.” Manodidina ilay sary, soraty na ataovy sary ny zavatra tianao hatao. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny talentanao hanampiana ny hafa?

Hamoaka printy