2023
Fanambin’ny misiônera
Jolay 2023


“Fanambin’ny misionera,” Namana, jolay 2023, 38–39.

Zavatra mahafinaritra

Fanambin’ny misiônera

Sary
alt text

Sary nataon’i Sammie Francis

Fantaro ny zavatra ataon’ny misiônera! Araho ny lalana ary ataovy ilay fanamby avy eo.

Mihaona amin’olona vaovao ny misiônera ary miresaka amin’izy ireo.

Mamantara olona iray ao amin’ny kilasinao na ny manodidina anao izay tsy fantatrao.

Mianatra tenim-pirenena vaovao ny misiônera sasany.

Mianara miteny teny vitsivitsy amina tenim-pirenena vaovao. Azonao atao ny mianatra miteny hoe: “Tia ahy i Jesoa” na “Zanak’ Andriamanitra aho.”

Mizara ny talentany ny misiônera! Ny sasany mitendry pianô any am-piangonana, na mianatra soratra masina hozaraina, na mampiasa talenta mba hitahiana ny hafa.

Mieritrereta talenta iray anananao. Ampiasao hanompoana olona iray izany talenta izany avy eo!

Mivavaka ho an’ny hafa ny misiônera.

Mieritrereta olona roa na telo fantatrao ary mivavaha ho azy ireo. Angataho mba hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra.

Mampianatra ny hafa momba an’i Jesoa Kristy ny misiônera.

Lazao amin’ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa tao amin’ny Kilonga.

Hamoaka printy