2023
Manara-dia an’i Jesoa any Népal
Jolay 2023


“Ny fanarahana an’i Jesoa any Népal,” Namana, jolay 2023, 16–17.

Ny fanarahana an’i Jesoa any Népal

Fantaro i Samyog!

Sary
Sarin’ankizilahy iray manao satroka

Momba an’i Samyog

Sary
Sarin’ankizilahy iray mitsiky mitazona zavamaniry ao anaty tavy fitoeran-javamaniry iray

Taona: 9

Avy any amin’ny: Faritanin’i Bagmati, Népal

Tenim-pirenena: Nepaley, Anglisy

Tanjona sy nofinofy: 1) Ho tonga mpanamory fiaramanidina. 2) Hanara-dia an’i Jesoa Kristy. 3) Hanome anarana ny zanany lahimatoa hoe “Sreejal”, izay midika hoe fahadiovana.

Fianakaviana: Samyog, Aama (Neny), Buba (Dada), ary didis roa (zoky vavy)

Ny fomba fanarahan’i Samyog an’i Jesoa

Sary
Sarin’ankizilahy iray milalao ao amin’ny valan-javaboary

Tsy betsaka ny Kristianina any Népal. Betsaka ny olona tsy mahalala firy momba an’i Jesoa Kristy mihitsy. Tia milaza amin’ny hafa momba an’i Jesoa i Samyog.

Indray mandeha dia nanao fankalazana ny Krismasy ny sekolin’i Samyog mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo andro hankalazana zavatra manerana izao tontolo izao. Nilaza i Samyog fa Kristianina izy. Namaly ny fanontanian’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra taminy momba an’i Jesoa izy.

“Te hanaraka an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainako aho,” hoy i Samyog.

Ny zavatra tena tian’i Samyog

Sary
Efitrano fandraisam-bahiny, vilia baolina misy akoho ary mofomamy

Tantara momba an’i Jesoa: Ny nahafatesany ho antsika noho ny fitiavany antsika

Toerana: Ny efitra fandraisam-bahiny ao an-tranony

Hiran’ny Kilonga: “Araho hatrany ny Mpaminany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 58)

Sakafo: Mofomamy sy kukhura (akoho)

Loko: Volomboasary sy manga

Taranja any an-tsekoly: Siansa sy matematika

Sary
alt text

Sary nataon’i Aaron Cushley

Hamoaka printy