2023
Voanio sy fahafolonkarena
Nôvambra 2023


“Voanio sy fahafolonkarena,” Namana, nôv. 2023, 8–9.

Nosoratanao

Voanio sy fahafolonkarena

Sary
alt text

Manahoana! Ny anarako dia Avehei. Mipetraka any Tahiti aho. Tiako ny mivoaka any ivelany rehefa ao amin’ilay nosiko. Mandeha mitsangantsangana an-tongotra sy milomano any amin’ny renirano na ny ranomasimbe aho. Tiako koa ny miara- manao zavatra amin’ny fianakaviako. Tiako ny mahandro sakafo, milalao karatra ary mandeha manao fitsangantsanganana an-tongotra. Tiako ny milalao baolina sy mihanika hazo miaraka amin’ny anadahiko sy ireo zanaky ny iray tampo amin’ny ray aman-dreniko.

Mandritra ny fialan-tsasatry ny fotoam-pahavaratra dia miara-miasa amin’ny anadahiko any amin’ny saham-boanio iray aho. Manangona ireo voanio izahay ary mametraka izany eo amina antontam-boanio iray. Angoninay koa ireo ravinkazo mba hampadio ilay saha.

Sary
alt text

Karamain’ny rain’ny raibeko izahay rehefa miasa ao amin’ilay saha. Aloako foana amin’ny alalan’ny vola raisiko ny fahafolonkarenako. Nianatra ny fomba fandoavana fahafolonkarena avy amin’ny fianakaviako sy ireo mpampianatra ahy ao amin’ny Kilonga aho.

Mandoa fahafolonkarena aho satria fantatro fa izaho sy ny fianakaviako dia voatahy rehefa mankato aho. Nomena fianakaviana sy trano ary tontolo kanto iray manodidina ahy aho.

Fantatro fa velona Andriamanitra ary tia ahy Izy. Misaotra ny Ray any an-danitra aho noho ny fianakaviana nomeny ahy.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Hamoaka printy