2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy
Nôvambra 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy,” Namana, nôv. 2023, 10–11.

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Ho an’ny takarivan’ny mpianakavy na fandalinana ny soratra masina, na atao fialam-boly fotsiny!

I Jesoa Kristy no Mpitarika antsika

Ho an’ny Hebreo 1–6

Sary
alt text

Sary nataon’i Katy Dockrill

Tantara: I Jesoa Kristy no “[Kapitenin’ny] famonjena [antsika]” (Hebreo 2:10). Ny kapiteny no mitarika ny sambo eny amin’ny ranomasina. Afaka mitarika antsika mankany an-danitra koa i Jesoa mba hahafahantsika miaraka miaina Aminy indray andro!

Hira: “Mila Anao aho” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 23)

Zavatra atao: Manaova sarina sambo iray eo ambonin’ny onja. Avy eo dia soraty na resaho ny momba ireo fomba izay ahafahanao manara-dia an’i Jesoa Kristy. Ahoana no fomba hitarihany anao eo amin’ny fiainanao?

Maherifon’ny finoana

Ho an’ny Hebreo 7–13

Sary
alt text

Tantara: Ny soratra masina dia milaza fa ny finoana dia midika hoe mino ireo zavatra izay tsy hitanao (jereo ny Hebreo 11:1). Ny Hebreo 11 dia mitantara tantara maro momba ireo olona izay nanana finoana. Mitondra fiadanana sy herim-po ho antsika ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Hira: “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50)

Asao atao: Mifandimbiasa misafidy maherifo iray ao amin’ny soratra masina avy ao amin’ny Hebreo 11. Miezaka mametraka fanontaniana ny olona sisa mba hamantarana hoe iza ilay maherifo. Ahoana no ahafahanao manana finoana toy ilay olona ao amin’ny soratra masina?

Tongotra taritarihina hanao asa fanompoana

Ho an’ny Jakoba

Sary
alt text

Tantara: Nampianatra ny Apôstôly Jakoba fa tokony hanampy ireo olona sahirana isika (jereo ny Jakoba 1:27). Iza no mila ny fanampianao?

Hira: “Rehefa manampy izahay” (Bokin-kiran’ny ankizy, 108)

Asa atao: Manaova fifaninanana mihazakazaka! Asio tsipika fiaingana sy tsipika fahatongavana. Avy eo dia mandehana mankeny amin’ny tsipika fahatongavana amin’ny alalan’ny fitaritarihana ny tongotrao handroso nefa tsy ampiakarinao izany. Izay mpandresy amin’ilay fifaninanana dia misafidy asa fanompoana tsotra iray hataon’ilay vondrona, toy ny fandefasana hafatra feno hatsaram-panahy ho an’ny olona iray na famangiana olona iray manirery.

Fanampiana ho an’ireo razambentsika

Ho an’ny 1 sy 2 Petera

Sary
alt text

Tantara: Afaka mianatra momba ny filazantsara ireo razambentsika aorian’ny fahafatesan’izy ireo (jereo ny 1 Petera 4:6). Ao amin’ny tempoly dia azo atao batisa ho azy ireo isika sy manampy azy ireo hanaraka an’i Jesoa Kristy!

Hira: “Hanao ny tantaram-pianakaviana aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 100)

Asa atao: Mampiasà goba na siramamy miendrika goba mba hananganana tempoly iray. Ahoana no ahafahanao miomana hiditra ny tempoly?

Manolotra fitiavana

Ho an’ny 1–3 Jaona; Joda

Sary
alt text

Tantara: Tia antsika rehetra ny Ray any An-danitra! Nampianatra antsika hitia ny hafa koa ny Apôstôly Jaona (jereo ny 1 Jaona 4:19, 21). Ahoana no ahafahanao maneho fitiavana ny hafa?

Hira: “Raha tsapa fa ao ny fitia” (Bokin-kiran’ny ankizy, 76–77)

Asa atao: Mandehana ao amin’ny pejy 12 raha hanao asa tanana miendrika fo. Omeo olona izay tianao avy eo ireo fo!

Hamoaka printy