“Mihaino ny Fanahy Masina,” Namana, nôv. 2023, 13.
Ny lalan’ny fanekempihavanana hizorako
Mihaino ny Fanahy Masina
Ny Ray any An-danitra dia manana fitahiana mahatalanjona ho anao eo amin’ny lalanao miverina any Aminy!
Ny Fanahy Masina dia mitondra hafatra ho antsika avy amin’ny Ray any An-danitra. Fanambarana no iantsoana izany. Moa ve ianao efa nanana fahatsapana hafanana sy fifaliana rehefa mihira ao amin’ny Kilonga? Na efa nanana eritreritra ny hanampy olona iray? Ireo eritreritra sy fahatsapana tsara ireo dia avy amin’ny Fanahy Masina! Apetraho ireto fanontaniana ireto mba hanampiana anao hahafantatra fa miresaka aminao ny Fanahy Masina.
Moa ve aho mahatsapa ny Fanahy Masina?
-
Moa ve ilay eritreritra na fahatsapana manampy ahy ho akaikin’ny Ray any An-danitra bebe kokoa? (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2.)
-
Moa ve ilay eritreritra na fahatsapana milaza amiko mba hanao zavatra tsara? (Jereo ny Môrônia 7:13.)
-
Moa ve aho mahatsapa fiadanana, na fifaliana, na fitiavana? (Jereo ny Galatiana 5:22.)
Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina: