2023
Olona iray izay mahatakatra
Nôvambra 2023


“Olona iray izay mahatakatra,” Namana, nôv. 2023, 26– 27.

Olona iray izay mahatakatra

Tsy takatr’ireo naman’i Blair hoe manao ahoana izany tratran’ny maladie de Crohn izany.

Tany États-Unis no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

“Tsy afaka ny handeha ho any aho androany,” hoy i Blair. Namaivain’ny henatra ny tarehiny.

Nibanjina azy ireo namany. “Ianao anefa nilaza hoe ho afaka!” Hoy i Sammy.

“Fantatro mihitsy.” Niondrika nibanjina ny tongony i Blair. “Tsy dia salama loatra aho. Azafady.”

“Izany koa no nolazainao tamin’ny farany teo,” hoy i Jessica.

Tsy hitan’i Blair izay holazaina. Naniry ny ho afaka ny handeha any an-tranon’i Sammy izy. Saingy tena narary ny vavoniny androany. Nila nody sy naka aina izy.

Tratran’ny maladie de Crohn i Blair. Nahatonga ny vavoniny harary izany ary tena narary tokoa. Ny ankamaroan’ny fotoana dia tsy maintsy marary kely farafaharatsiny ny vavoniny. Saingy misy andro maha-tena faran’izay ratsy izany raha oharina amin’ny andro hafa. Iray tamin’ireo andro ireo ny androany. Naniry izy ny hoe mba ho afaka ny hisafidy izay andro hamparary azy kokoa. Toy ny tena faran’izay marary ny vavoniny isaky ny maniry ny hanao zavatra mahafinaritra izy.

“Ndao fotsiny izany handeha,” hoy i Sammy tamin’i Jessica.

Rehefa tonga tany an-trano i Blair dia nihinana ny fanafodiny. Dia nandrana natory izy. Nahatsapa fanaintainana be anefa izy.

Sary
alt text

Tonga nijery azy i Dada sy i Neny. Nipetraka teo amin’ny fandrianany i Dada. Manao ahoana izao?

“TSY MANINONA AHO. Nanampy ahy kely ilay fanafody,” hoy i Blair.

“Malahelo aho noho ny tsy fahafahanao mankany an-tranon’i Sammy,” hoy i Neny.

Nanganohano ny mason’i Blair. “Tsy rariny izao! Tsy takatry ny namako mihitsy ny toy izao.” Natsipin’i Blair teny amin’ny rindrina ny ondana iray. “Te hihatsara fotsiny aho.”

Nofihinin’i Dada i Blair. “Fantatro mihitsy! “Tianao ve raha omena tsodranon’ny fisoronana ianao?”

Nanaiky tamin’ny lohany i Blair. Manampy azy hahatsapa fiadanana kokoa ny tsodrano matetika.

Sary
alt text

Napetrak’i Dada teo ambonin’ny lohan’i Blair ny tanany ary nitsodrano azy izy mba haka aina sy hahazo fampaherezana. Tsara ilay tsodrano. Nanampy azy hahatsiaro ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy izany. Saingy mbola nalahelo ny namany izy.

Taorian’ilay tsodrano dia norohan’i Dada sy i Neny i Blair mba hahita tory tsara. Niala izy ireo mba hahafahany matory.

Niverina nandry i Blair ary nanakimpy ny masony. Nanampy ilay tsodrano saingy mbola nahatsapa fanaintainana izy.

Nandohalika nivavaka teo am-pandrianany izy. Tamin’ny voalohany dia toy ny ankamaroan’ny vavaka ihany izany. Nolazainy tamin’ny Ray any An-danitra ny zavatra maha-feno fankasitrahana azy ary nangataka ny mba hihatsara izy. Saingy notohizany ihany izany tamin’ity indray mitoraka ity.

Sary
alt text

“Ry Ray any An-danitra, tena malahelo mafy aho. Malahelo aho fa tsy afaka miaraka amin’ny namako,” hoy izy. “Mahatsapa ho irery aho. Tsy misy mahatakatra ny halehiben’ny fanaintainako isan’andro. Malahelo an’ilay izaho taloha fony mbola tsy narary aho.”

Arakaraka ny naha-lava ny vavaka nataon’i Blair no nahatsapany bebe kokoa fa nihaino ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra. Tsy afaka nandre na nahita Azy izy, saingy nahatsapa ny fitiavany. Fantatr’i Blair fa niraharaha ny zavatra tiany holazaina Izy. Naniry ny tsy hijanonan’izany fahatsapana izany i Blair.

Nivavaka foana i Blair mandra-pahateniny ny zavatra rehetra tsapany. Avy eo dia tonga taminy ny eritreritra iray. Mety tsy takatr’ireo naman’i Blair velively ny hoe manao ahoana izany tratran’ny maladie de Crohn izany, saingy takatry ny Ray any An-danitra sy takatr’i Jesoa Kristy izany. Fantatr’izy ireo ny halehiben’ny fanaintainany sy ny fahatsapany ho tena irery. Ho eo foana Izy Ireo ho azy.

Nahatsapa ho toy ny nahazo fihina faran’izay lehibe indrindra i Blair. Rehefa vita ny vavaka nataony, dia nandeha tany amin’ny ray aman-dreniny izy mba hilaza ny zavatra nitranga.

“Nanofy ratsy angaha ianao?” Hoy i Neny nanontany.

Nitsiky i Blair. “Tsia. Nivavaka aho.”

Somary taitra i Neny. “Efa ela anie izay nifanaovantsika tafandria mandry izay e! Nivavaka foana ve ianao nandritra izay fotoana rehetra izay?”

Tena naharitra lava be toy izany tokoa ve ilay izy? Nanaiky tamin’ny lohany i Blair. “Toy ny hoe nahazo fihina lehibe izany ilay izy. Fantatry ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny zavatra tsapako. Tsy voatery hahatsapa ho irery aho noho Izy Ireo!

Sary
alt text here

Sary nataon’i Tammie Lyon

Hamoaka printy