2023
Nanasitrana lehilahy iray i Jesoa Kristy
Nôvambra 2023


“Nanasitrana lehilahy iray i Jesoa Kristy,” Namana, nôv. 2023, 24–25.

Ireo tantaran’i Jesoa

Nanasitrana lehilahy iray i Jesoa Kristy

Esory ity pejy ity ary aforeto roa. Hazony ambony ilay sary avy eo rehefa mitantara ilay tantara ianao.

Sary
alt text here

Sary nataon’i Sam Lawlor

Indray andro nahita lehilahy iray izay jamba i Jesoa Kristy. Nisy olona sasany nieritreritra fa nataon’ Andriamanitra jamba ilay lehilahy mba hanasaziana azy. “Iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny?” hoy izy ireo nanontany.

Nolazain’i Jesoa fa tsy fanasaziana azy ny fahajamban’ilay lehilahy. “Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny,” hoy Izy.

Nohosoran’i Jesoa fetana tanimanga teo amin’ny mason’ilay lehilahy. Avy eo dia nasainy nanasa izany tany amin’ny farihy iray ilay lehilahy. Rehefa nanao izay nolazain’i Jesoa ilay lehilahy dia sitrana izy! Afaka nahita ilay lehilahy.

Indraindray misy zavatra sarotra mitranga amintsika. Afaka manampy antsika mba hianatra sy hivoatra ary hanana fiadanana i Jesoa Kristy. Tia antsika Izy Ireo ary te hitahy antsika!

Hamoaka printy