2023
Ilay fitsapam-pahaizana
Nôvambra 2023


“Ilay fitsapam-pahaizana,” Namana, nôv. 2023, 30– 31.

Ilay fitsapam-pahaizana

Fantatr’i Jared fa nanohana azy i Jesoa Kristy.

Tany Frantsa no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nitondra ny baolina namakivaky ny kianja filalaovana i Jared. Nihazakazaka nanodidina azy ireo mpilalao ary nanenoneno ny kiraron’izy ireo teo amin’ny tany.

“Malalaka aho!” Hoy i Gabriel niantsoantso.

Natsipin’i Jared teny amin’i Gabriel ny baolina ary nanohy nihazakazaka izy. Naverin’i Gabriel teny amin’i Jared indray ny baolina. Natsipin’i Jared teny amin’ny harato ilay baolina.

SIOOO!

Tafiditra izany!

“Nilalao tsara ianao ry Jared,” hoy ny mpanazatra azy taorian’ilay lalao. “Hitanao, ny fitsapam-pahaizana hidirana amin’ilay ekipa eo anivon’ny faritra dia afaka roa herinandro.”

Nitsikitsiky i Jared. Mpilalao vitsivitsy ihany no asaina mba hanao fitsapam-pahaizana ho an’izany ekipa izany.

“Hatao ny alahady ny fitsapam-pahaizana,” hoy ilay mpanazatra. “Afaka manao izany ve ianao araka ny eritreritrao?”

Lasa haingana toy ny nahatongavan’izany ilay fientanentanan’i Jared.

“Alahady hoe?” Hoy i Jared nanontany.

“Eny. Misy olana angaha?”

Nieritreritra izany i Jared. Io no fahafahana iray ho azy mba hilalao ao anatina epika tena tsara! Saingy ny alahady dia fotoana handehanany miangona sy hifantohany amin’ny Mpamonjy.

“Andro iray miavaka manokana ho ahy ny alahady,” hoy i Jared. “Hiresaka amin’ny ray aman-dreniko momba izany aho.”

Nipetraka teo amin’ny fandrianany niaraka tamin’ny ray aman-dreniny i Jared ny alin’io. Natsipitsipiny ambony ny baolina fanaovany basikety teo am-pieritreretana. “Tena te hanao fitsapam-pahaizana ho an’ilay ekipa aho,” hoy izy tamin’i Dada sy i Neny. “Saingy tsy te hanao izany ny alahady aho. Fantatro fa manan-danja kokoa noho ny basikety Andriamanitra.”

“Inona no azonay atao mba hanampiana anao?” Hoy i Neny nanontany.

Nahodinkodin’i Jared teny an-tanany ny baolina. “Afaka miaraka mivavaka ve isika?”

Nampiriminy ny baolina fanaovany basikety ary niaraka nivavaka tamin’i Dada sy i Neny izy. “Ry Ray any An-danitra,” hoy izy, “ Tena te hanao fitsapam-pahaizana ho an’io ekipa mpilalao basikety io tokoa aho. Saingy andro alahady no hanaovana ny fitsapam-pahaizana! Fantatro fa ny alahady no andro atolotro ho Anao. Inona no azoko atao?”

Rehefa avy nivavaka i Jared dia nahatsapa fankaherezana.

“Inona no zavatra tsapanao?” Hoy i Neny nanontany.

“Tsy handeha aho raha vao atao alahady ny fitsapam-pahaizana,” hoy izy. “Saingy manana fahatsapana aho fa hilamina ny zava-drehetra.”

Sary
alt text

Roa andro taty aoriana dia nahazo email ny maman’i Jared. Nilaza izany fa hatao ny sabotsy amin’izay ny fitsapam-pahaizana!

Afaka manao fitsapam-pahaizana i Jared ary afaka mihazona ny sabata ho masina! Fantany fa nihaino ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra.

Nanao fanazaran-tena faran’izay azony natao i Jared nandritra ny roa herinandro nanaraka. Rehefa tonga ilay andro lehibe, dia nanao izay tsara indrindra avy aminy i Jared. Nihazakazaka mafy izy nandritra ny lalao, sy nahatafiditra ny ankamaroan’ny baolina natsipiny teny amin’ny harato, ary nampahery ny mpiara-milalao aminy tao amin’ny ekipany.

“Ireto mpilalao manaraka ireto dia hanoy ny fitsapam-pahaizana ho an’ilay ekipa,” hoy ilay mpanazatra taorian’ny fihodinana voalohany. “Aoka ianareo hihaino tsara ny anaranareo.”

Nidobodoboka mafy ny fon’i Jared. Nanonona anarana iray ilay mpanazatra. Avy eo anarana iray hafa. Ary anarana iray hafa. Nahatsapa i Jared fa nanomboka nanjavona ilay fanantenany ho tafiditra ao amin’ilay ekipa.

Kely sisa dia hifarana ny lisitr’ilay mpanazatra. Tsy nanonona ny anaran’i Jared izy. Tsy handray anjara amin’ilay fihodinana manaraka hanaovana fitsapam-pahaizana i Jared.

Nipetraka teo amin’ny seza lava tany ivelan’ny toerana fanaovana fanatanjahan-tena i Jared ary nandinika ny kirarony. Tena niasa mafy izy. Saingy toy ny tsy nisy dikany ny asa rehetra nataony.

Rehefa tonga nitsena azy i Neny dia nahetsiketsiny ny lohany. “Tsy tafiditra tao amin’ilay ekipa aho.”

Nofihinin’i Neny mafy izy. “Malahelo aho fa tsy araka ny nanirianao azy ny zava-nitranga,” hoy izy.

Nisento lalina i Jared. Avy eo dia nisy eritreritra nampahery tonga tao aminy.

“Tsy miseho araka ny aniriako azy foana ny zava-drehetra,” hoy izy. “Saingy fantatr’i Jesoa Kristy tsara ny zavatra tsapako. Manohana ahy izy.”

Nitsiky i Neny. “Marina ny anao! Tena fantany ny zavatra tsapanao.

Novalin’i Jared tamin’ny tsiky izany. Mbola nalahelo izy saingy nahazo aina kokoa noho ny fahafantarany fa nahatakatra ny zavatra tsapany ny Mpamonjy. Fantatr’i Jared fa ho tia sy hanohana azy foana i Jesoa.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Britain Morris

Hamoaka printy