2023
Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely
Nôvambra 2023


“Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely,” Namana,nôv. 2023, 49.

Asa atao mifandray amin’ny Avia, hanaraka Ahy ho an’ny ankizy kely

Ho an’ny Hebreo 1–6

Sary
alt text

Samia mody manao hoe miaraka manamory sambo ianareo. Ahoana no hahafantaranareo ny toerana tokony haleha? Resaho ny maha-toy ny kapiteny an’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 2:10). Rehefa mino Azy isika dia afaka mitarika antsika soa aman-tsara Izy mandritra ny fiainana.

Ho an’ny Hebreo 7–13

Hirao ny “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 50). Resaho ny fomba anehoantsika ny finoantsika rehefa matoky an’ Andriamanitra sy manaraka an’i Jesoa Kristy isika.

Ho an’ny Jakoba

Miaraha mahandro sakafo maivana Eo am-pahamasahan’izany dia anontanio hoe, “Moa ve sarotra ny miandry?” Tsy mora ny miandry. Saingy rehefa miandry ny fahatongavan’ireo zavatra tsara ianao, toy ireo fitahian’ Andriamanitra, dia tsy hanenenana foana izany.

Ho an’ny 1 sy 2 Petera

Ento mandehandeha any ivelany ireo zanakao kely. Mibaliaka ve ny masoandro? Avy ve ny orana? Mieritrereta zavatra izay azonareo atao mba hankafizana ilay toetrandro. Ampianaro hoe afaka ny ho faly isika na manao na manao ahoana ny zavatra manodidina antsika.

Ho an’ny 1–3 Jaona; Joda

Refeso ny halavan’ny zanakao kely. Ampianaro fa teo am-pitomboan’ny Mpamonjy dia nanao safidy tsara Izy isan’andro. Angataho izy ireo mba hilaza izay safidy tsara nataon’izy ireo androany. Ampio izy ireo hilaza hoe, “Mitombo tahaka ny fomba nitomboan’i Jesoa aho!”

Hamoaka printy