2023
Maneho ny fiarahabana avy aty Indonésie
Nôvambra 2023


“Maneho ny fiarahabana avy aty Indonésie!” Namana, nôv. 2023, 18–19.

Maneho ny fiarahabana avy aty Indonésie!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

Sary
alt text here

I Indonésie dia firenena iray ao atsimo atsinanan’i Asie. Izany dia ahitana nosy mihoatra ny 17.000 isa! Olona eo ho eo amin’ny 280 tapitrisa no mipetraka any.

Fiangonana mihamitombo

Sary
alt text here

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nitsidika ireo mpikambana tao Jakarta izay renivohitr’izany tamin’ny 2019. Ary nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2023, dia nanambara izy fa hisy tempoly aorina any.

Toeram-pitsaohana

Sary
alt text here

I Indonésie no manana mosquée lehibe indrindra any atsimo atsinanan’i Asie. Manana tempoly Bodisita lehibe indrindra manerana an’izao tontolo izao izy.

Vôlkano miloko manga

Sary
alt text here

I Indonésie no manana vôlkano velona maro kokoa noho ny firenena hafa. Ilay vôlkano Kawah Ijen dia mamoaka lelafo manga izay hita rehefa amin’ny alina.

Moa ve ianao miteny ny fiteniko?

Sary
alt text here

Ny teny indôneziana no fiteny ôfisialy. Saingy misy mihoatra ny 700 isa ny fiteny ampiasaina any Indonésie! Ny teny filamatry ny firenen’izy ireo dia hoe “Maro, kanefa iray ihany” mba hampisehoana fa miray hina izy ireo.

Toerana ahitana dragona

Sary
alt text here

Ny dragona Komodo no androngo faran’izay lehibe indindra eto amin’izao tontolo izao. Afaka mitombo hatrany amin’ny telo metatra any ny halavany!

Sary
alt text here

Sary nataon’i Conner Gillette

Hamoaka printy