2023
Manara-dia an’i Jesoa any Indonésie
Nôvambra 2023


“Manara-dia an’i Jesoa any Indonésie,” Namana, nôv. 2023, 16–17.

Ny fanarahana an’i Jesoa any Indonésie

Fantaro i Therahami!

Momba an’i Therahami

Sary
alt text here

Taona:11

Avy any: West Java, Indonésie

Fiteny: Indôneziana

Tanjona sy nofinofy:1) Ho lasa pôlisy. 2) Hianatra mikasika ny fanamboarana voninkazo. 3) Hamaky ny Bokin’i Môrmôna iray manontolo.

Fianakaviana: Therahami, Neny, Dada, zoky vavy iray, ary zoky lahy anankiroa.

Ny fomba fanarahan’i Therahami an’i Jesoa

Sary
alt text here

“Tiako ny manampy ny ray aman-dreniko amin’ny fomba madinidinika,” hoy i Therahami. Manampy azy ireo i Therahami rehefa manadio ny efitranony sy manamboatra ny fandrianany isa-maraina. Manampy amin’ny famafana sy ny fanasana ny gorodon’ny tranony koa izy.

“Mahatsapa ho tena faly aho rehefa manompo ny ray aman-dreniko,” hoy i Therahami. “Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fanampiako azy ireo.”

Ireo zavatra tena tian’i Therahami

Sary
alt text here

Tantara ao amin’ny soratra masina: Ny fotoana nahaterahan’i Jesoa Kristy tao Betlehema

Toerana: Amoron-dranomasina

Voankazo sy legioma: Akondro, voantango, karaoty, ary brocoli

Loko: Mena sy manga

Taranja any an-tsekoly: Matematika

Sary
alt text here

Sary nataon’i Steliyana Doneva

Hamoaka printy