2023
Drafitra mahavariana an’ny Ray any An-danitra
Nôvambra 2023


“Drafitra mahavariana an’ny Ray any An-danitra,” Namana, nôv. 2023, 2–3.

Hafatry ny fihaonambe avy amin’ny Mpaminany

Drafitra mahavariana an’ny Ray any An-danitra

Namboarina avy amin’ny “Saino amin’ny fomba selestialy!” Liahona, nôv. 2023, 115–17.

Sary
Jesoa Kristy namangy an’i Amerika fahiny

Ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika dia mahavariana. Tena zava-dehibe ny zavatra ataontsika eto amin’ity fiainana ity. Ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no mahatonga ny drafitry ny Ray ho azo notanterahina.

Nijaly ny Mpamonjy mba hahafahany mampionona antsika sy manasitrana antsika ary mamonjy antsika amin’ireo fotoan-tsarotra. Noho ny Sorompanavotana tsy misy fetran’i Jesoa Kristy dia drafitra tonga lafatra ny drafitry ny Raintsika any An-danitra! Izany dia mamela antsika tsirairay avy hisafidy ny fomba hiainantsika.

Manasa anareo aho mba hanomboka hanana “fisainana amin’ny fomba selestialy”! Rehefa manana olana ianareo, dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa sedrain’ny fakam-panahy dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa mandiso fanantenana anao ny fiainana na ireo olona akaikin’ny fonao dia saino amin’ny fomba selestialy!

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao dia te hivavaka matetika kokoa ary amin-kitsim-po kokoa. Ho hitanao amin’ny fahatakarana vaovao ireo fitsapana. Rehefa mieritreritra amin’ny fomba selestialy ianao dia hitombo ny finoanao.

Velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Naverina tamin’ny laoniny ny Fiangonany mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Saino amin’ny fomba selestialy!

Nampianatra ny Filoha Nelson fa ny fisainana amin’ny fomba selestialy dia afaka manampy antsika hanao safidy tsara. Ataovy sary na soraty eo amin’ny sary masoandro tsirairay ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Come unto Jesus (Manatòna an’i Jesoa), nataon’i Michael Malm

Hamoaka printy