2023
Inona no ao an-tsainao?
Nôvambra 2023


“Inona no ao an-tsainao?” Namana, nôv 2023, 38.

Inona no ao an-tsainao?

Mahatsapa aho fa maro dia maro ireo zavatra miova ary tsy mbola vonona aho. Nahoana ny zavatra no tsy afaka mijanona tsy miova?

—Ankizy iray mihalehibe ao Granada

Sary
alt text

Sary nataon’i Pauline Gregory

Ry ankizy iray malala izay mihalehibe,

Mieritrereta tantara iray mampientanentana tianao indrindra. Niatrika karazana fiovana sy olana lehibe ireo olona be herim-po tao anatin’izany talohan’ny nahatratraran’izy ireo ny tanjon’izy ireo, sa tsy izany? Raha tsy niaina fiovana izy ireo dia tsy ho nisy zavatra mampientanentana! Tsy ho nisy fiafarana mahafinaritra!

Ny fiovana dia zava-dehibe ho an’ny tantaranao koa. Toe-javatra mahazatra ny fahatsapana alahelo, na ahiahy, na tahotra. Tsarovy anefa fa ianao no ilay olona be herim-po ao amin’ny tantaranao. Fahafahana iray hianarana sy hivoarana ny fiovana tsirairay. Ary hanampy anao ny Ray any An-danitra.

Mirary soa amin’ireo tantara mampientanentana hisy anao!

Ny Namana

Manomboha mieritreritra ao an-tsaina tantara mampientanentana iray amin’ny alalan’ny fanaovana sary ny tenanao ho toy ilay olona be herim-po ao anatin’ilay tantara!

Hamoaka printy