2023
Mihoatra noho ny andro tsara iray nanaovana fanazaran-tena
Nôvambra 2023


“Mihoatra noho ny andro tsara iray nanaovana fanazaran-tena,” Namana, nôv. 2023, 14–15.

Mihoatra noho ny andro tsara iray nanaovana fanazaran-tena

Sorisorena ilay vehivavy. Afaka manampy ve i Ismael?

Tany Bolivie no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nitsiky i Ismael rehefa nivoaka ho eny amin’ny masoandro mibaliaka. Handeha ho any amin’ny saha fitsangantsanganana izy sy i Papá. Teny am-pandehanana dia nihazona ny tananan’i Papá i Ismael ary nitondra ny baoliny. Tian’i Ismael ny miaraka amin’i Papá indrindra rehefa milalao baolina kitra izy ireo!

Rehefa tonga tao amin’ny saha fitsangantsanganana izy ireo dia nijery ny manodidina i Ismael. Nisy vehivavy iray nanala ahi-dratsy teo akaikin’ny kianja filalaovam-baolina. Nisy fianakaviana iray nandeha teny amin’ny sisin-dalana. Saingy tsy nisy olona nilalao teo amin’ny kianja filalaovam-baolina. Hanana toerana malalaka tsara i Ismael sy i Papá hanaovana fanazaran-tena!

“Vonona ny hilalao ve?” Hoy i Dada nanontany.

“Eny!” Nihazakazaka faran’izay vitany teny amin’ny kianja i Ismael. Nanao fanazaran-tena nitondra ny baolina niolikolika izy, sy nandaka baolina mifanatrika amin’ny harato ary nitifitra ny baolina avy eny amin’ny zoron’ny kianja.

Nodakan’i Papá mafy ilay baolina. Nanidina nandalo tena teo ambonin’ny lohan’i Ismael izany!

“Halaiko iny,” hoy i Ismael. Nihazakazaka teny amin’ny zoron’ny kianja izy ary naka ilay baolina. Hitany ilay vehivavy izay mbola nangady tany ihany. Reraka ny fahitana azy.

“Izaho no ho mpiandry tsato-kazo izao,” hoy i Papá niantsoantso. “Hojerena raha mahatafiditra baolina ianao!”

Niverina nihazakazaka i Ismael ary nodakany nankeny amin’ny harato ny baolina. Nandeha nisakana izany i Papá saingy kely fotsiny no tsy nahasakanany izany.

“Maaaaty ny baolina!” Tena faly i Ismael satria tafiditra tao anatin’ny harato ny baolina.

Tsy ela dia lasa ny adiny iray manontolo. “Mila mody amin’izay isika,” hoy i Papá.

Nitodika tany amin’ilay vehivavy nanala ahi-dratsy i Ismael. Tsy mahafinaritra toy ny milalao baolina kitra ny miasa ao anatin’ny masoandro, hoy ny eritreriny. Te hampahery ilay vehivavy izy. Nahita hevitra izy avy eo.

“Papá a! Tsy hitanao hoe miasa tsara ve iry vehivavy iry?” hoy izy nanontany.

“Ahoana hoe?” Nitodika tany amin’ilay vehivavy i Papá. “Eny tokoa.”

“Mieritreritra aho hoe tokony handeha ho eny aminy isika ary hilaza izany aminy,” hoy i Ismael.

“Mila miverina haingana any an-trano anie isika e! Miandry antsika i Mamá,” hoy i Papá.

Nijery an’ilay vehivavy namafa ny handriny izy. Lasa nihanahery vaika ilay fahatsapana te hiresaka aminy. “Tena manana fahatsapana aho fa tokony handeha ho eny aminy isika,” hoy izy. Nalainy ny tanan’i Papá ary nandeha teny amin’ilay vehivavy izy.

Sary
alt text

“Manahoana madama a!” Hoy i Ismael sady nikopakopa-tanana.

Tsy nitraka ilay vehivavy. Inona no tadiavinao?”

Hitan’i Ismael fa tsy dia faly loatra izy. Saingy tsy nanakana azy izany. “Te hilaza aminao aho fa tena manao asa tsara ianao!”

Nitraka nijery azy amin’izay ilay vehivavy.

Nitsiky i Ismael. “Misaotra anao noho ny fikarakaranao ny saha fitsangantsanganana!”

Namaly tsiky azy ilay. “Misaotra,” hoy izy. Nihanitombo mihitsy aza ny tsikiny avy eo. “Misaotra betsaka.”

Nahatsapa faly i Ismael teny am-pandehanana an-tongotra ho any an-trano niaraka tamin’i Papá.

“Mihevitra aho fa nanan-danja taminy ny zavatra nolazainao,” hoy i Papá. “Faly aho fa nihaino ilay fahatsapana nanananao ianao.”

“Izaho koa.” Nieritreritra kely i Ismael. Ary avy eo izy dia nanontany hoe: “Ny Fanahy Masina ve izany araka ny eritreritrao?”

Nanaiky tamin’ny lohany i Papá. “Indraindray ny Fanahy Masina dia manome antsika eritreritra hanampy olona iray. Ary izany mihitsy no nataonao.”

Nitsiky i Ismael. Zavatra kely fotsiny ihany ny firesahana tamin’ilay vehivavy kanefa nampatsara ny androny i Ismael. Nampatsara kokoa ny androny ny fihainoana ny Fanahy Masina!

Sary
alt text here

Sary nataon’i Jennifer Bricking

Hamoaka printy