2023
Manampy ilay zandry lahy mbola zazakely
Nôvambra 2023


“Manampy ilay zandry lahy mbola zazakely,” Namana, nôv. 2023, 16– 17.

Manampy ilay zandry lahy mbola zazakely

Tsy nisy nanana fotoana ho an’i Lashia izao.

Tany Afrique du Sud no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nahazo zandry lahy kely i Lashia. I Liam no anarany. Matroka ny volony ary tena kely ny tanany sy ny tongony. Tena nahafatifaty izy!

Saingy indraindray dia sarotra ny manana zazakely ao amin’ny fianakaviana. Lasa be atao i Dada sy i Neny izao. Ary nitomany matetika i Liam.

“Neny a! Afaka mamaky tantara ho ahy ve ianao?” Hoy i Lashia nanontany.

“Mila manasa an’i Liam ao anatin’ny koveta fandroana aho,” hoy i Neny. “Angamba afaka mamaky tantara iray miaraka amin’i Ariana ianao.”

Niaraka nipetraka tamin’ilay zandriny vavy kely teo amin’ny tany i Lashia. Namadika ireo pejin’ilay boky izy ireo. Saingy tsy nitovy tamin’ilay rehefa niaraka tamin’i Neny izany.

“Dada a! Afaka manao kilalao miaraka amiko ve ianao?” Hoy i Lashia nanontany.

“Mila manampy an’i Neny mikarakara ny zazakely aho alohan’ny handehanako miasa,” hoy i Dada.

Nikentrona i Lashia. Tsy nanana fotoana ho azy intsony i Dada sy i Neny izao! Nanampy foana an’i Liam izy ireo.

Vetivety dia lasa niasa i Dada. Napetrak’i Neny hatory kely i Liam. Nipetraka teo amin’ny seza lava niaraka tamin’i Lashia sy i Ariana izy. Reraka ny fahitana azy.

Sary
alt text

“Tena rempotra amin’i Liam izahay,” hoy i Neny. “Nahatsapa ho somary irery ve ianareo?”

Nanaiky tamin’ny lohany i Lashia. Toy ny te hitomany izany izy.

Nofihinin’i Neny i Lashia sy i Ariana. “Mila fanampiana be i Liam amin’izao fotoana izao satria mbola tena kely izy. Mbola tsy afaka manao zavatra irery toa anareo izy.”

“Fantatro izany!” hoy i Lashia.

“Saingy raha tianao dia afaka manampy ahy ianao hikarakara an’i Liam.” Nitsiky i Neny.

“Tena marina ve?” Hoy i Lashia nanontany. Tiany izany hevitra izany.

“Izaho koa ve?” hoy i Ariana nanontany.

“Ianao koa,” hoy i Neny.

Vetivety foana dia nanomboka nitomany i Liam. Rehefa teo am-panoloana couche i Neny dia nentin’i Lashia teo aminy ny lingettes.

“Misaotra,” hoy i Neny.

Ny ampitson’izany rehefa nampandroana i Liam dia naka akanjo madio hanaovany i Lashia sy i Ariana. Nisy sarina biby mbola kely maro teo amin’izany! Nentin’izy ireo teo amin’i Neny izany mba hahafahany mampiakanjo an’i Liam.

“Misaotra,” hoy i Neny.

Nieritreritra fomba hafa hanampiana i Lashia sy i Ariana. Namboarin’izy ireo tsy nila notenenina ny fandrianan’izy ireo isa-maraina. Indraindray dia ataon’izy ireo koa ny fandrianan’i Dada sy i Neny! Ary rehefa tonga ny fotoana hisakafoanana dia nanampy an’i Dada tao an-dakozia izy ireo.

“Misaotra,” hoy i Dada sy i Neny.

Rehefa nitomany i Liam dia niezaka nanampy azy hahazo aina kokoa i Lashia. Notrotroin’i Lashia izy ary noresahiny tamin’ny feo malefaka. Tsy mbola afaka miteny hoe misaotra i Liam. Saingy indray andro dia nitsikitsiky be tamin’i Lashia izy!

Novalin’i Lashia tamin’ny tsiky izy. Faly izy fa afaka nanampy ilay zandriny lahy mbola zazakely sy ny dadany sy ny mamany koa!

Sary
alt text here

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy