2023
Iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa!
Nôvambra 2023


“Iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa!” Namana, nôv 2023, 38.

Zavatra mahafinaritra

Iray maka bahana, roa fiomanana, telo dia lasa!

Sary
alt text here

Sary nataon’i Colleen Madden

Ireto misy zavatra vitsivitsy azonao atao mba hanampiana anao hiomana hiditra ao amin’ny Zatovovavy na Zatovolahy. Afaka mahavita zavatra efatra atao an-kisesy ve ianao?

  • Manaova fanamariham-pejy ho an’ny soratra masinao.

  • Miresaha amin’olona iray izay mety miahiahy amin’ny fandaozana ny Kilonga.

  • Ahantony ao an-tranonao ny soratra masina iray izay tianao.

  • Zarao amin’ny olona iray ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  • Mangataha tahadika irain’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao misy anao.

  • Haingoy ny kahie iray mba hoentina any an-dakilasy.

  • Toerana malalaka hanaovan-javatra

  • Manorata teny fisaorana ho an’ny mpampianatra iray ao amin’ny Kilonga.

  • Vakio ireo fanontaniana mandritra ny dinidinika momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. (Hitanao ao amin’ny pejy 37 ao amin’ny Namana nivoaka tamin’ny nôvambra 2022 izy ireo.)

  • Anontanio olona hoe manao ahoana ny ao amin’ny Zatovolahy na ny Zatovovavy.

  • Mangataha mpiray kilasy iray mba hiaraka aminao handeha ao amin’ny kilasinao vaovao.

  • Soraty ny zavatra andrandrainao ao amin’ny Zatovovavy na ny Zatovolahy.

  • Mifampiresaha amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Zatovovavy na Zatovolahy.

  • Manorata zavatra anankitelo izay tianao hianarana ao amin’ny Zatovolahy na Zatovovavy.

  • Mamakia lahatsoratra ao amin’ny Ho zatovo mahery!.

  • Anontanio an’ireo mpitarika anao vaovao ny momba ireo fiaraha-mientana ataon’ny kilasy. Soraty ao amin’ny kalandirie ampiasainao izany!

Hamoaka printy