2023
Hoy i Jakoba hoe: “[Mangataha] amin’ Andriamanitra”
Nôvambra 2023


“Hoy i Jakoba hoe–[Mangataha] amin’ Andriamanitra,–” Namana, nôv. 2023, 46– 47.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Hoy i Jakoba hoe: “[Mangataha] amin’ Andriamanitra”

Sary
alt text

Sary nataon’i Apryl Stott

I Jakoba dia Apôstôly. Nampianatra ny hafa momba an’i Jesoa Kristy izy. Nanoratra taratasy iray ho an’ireo olona izay nino an’i Jesoa izy.

Sary
alt text

Nampianatra ny olona hivavaka i Jakoba tao anatin’ilay taratasiny. Niteny azy ireo Izy mba hanana finoana. Nilaza izy fa afaka mangataka amin’ Andriamanitra izy ireo mba hahafantarana ny marina.

Sary
alt text

An-jaton-taona taty aoriana dia namaky ny taratasin’i Jakoba ao amin’ny Baiboly i Joseph Smith.

Sary
alt text

Nanontany an’ Andriamanitra izy hoe iza ilay Fiangonana tokony hidirany.

Nivaly ny vavaka nataon’i Joseph! Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nampian’izy ireo izy mba hamerina eto an-tany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy