2023
Vaovan’ny fihaonambe
Nôvambra 2023


“Vaovaon’ny fihaonambe,” Namana, nôv. 2023, 4.

Vaovaon’ny fihaonambe

Teny notsongaina tamin’ny fihaonambe

Mijery fihaonambe manerana izao tontolo izao

Sary
Zazavavy mitsiky

Noho ny fahasamihafan’ny fotoana dia ny hariva izahay no mijery ny fotoam-pivoriana maraina amin’ny fihaonambe. Faly izahay rehefa nanambara ireo tempoly vaovao ny Filoha Nelson!

Sofia D., 11 taona, Faritra Bratislava, Slovakia

Sary
Zazavavy mitsiky

Miomana amin’ny fihaonambe izahay amin’ny fandehanana mividy sakafo (tsakitsaky) sy miala sasatra mba tsy ho resin-tory ao anatin’ny fihaonambe. Mivavaka izahay mianakavy mba hahazoana fahatakarana ary mamaky ny soratra masina. Faly foana aho mihaino mpaminany velona iray sy mandre ny tenin’ Andriamanitra.

Runakorwashe S., 7 taona, Faritra Atsimo, Malawi

Sary
Zazalahy mitsiky

Nahatonga ahy haniry hanakaiky an’i Jesoa Kristy ny fijerena fihaonambe. Izy no Mpiandry Tsara, ary miahy antsika ondriny Izy. Indraindray isika dia mania somary lavitra, fa tonga hitady antsika foana Izy.

Efrain C., 9 taona, Faritanin’i San Juan, Arzantina

Tempoly miisa 20!

Nisy tempoly vaovao miisa 20 nambara nandritra ny fihaonambe! Mampiasà sarintany hahitana ny toerana misy ny tempoly vaovao tsirairay. Lokoy ny faritra ao anatin’ilay sarina tempoly rehefa hitanao ny tsirairay amin’izy ireo.

Savai’i, Samoa

Cancun, Meksika

Piura, Peroa

Huancayo, Peroa

Viña del Mar, Chili

Goiânia, Brezila

João Pessoa, Brezila

Calabar, Nizeria

Cape Coast, Ganà

Luanda, Angôla

Mbuji-Mayi, Repoblika Demokratikan’i Kôngô

Laoag, Filipina

Osaka, Japana

Kahului, Hawaii, Etazonia

Fairbanks, Alaska, Etazonia

Vancouver, Washington, Etazonia

Colorado Springs, Colorado, Etazonia

Tulsa, Oklahoma, Etazonia

Roanoke, Virginie, Etazonia

Oulanbator, Môngôlia

Fahafolonkarena sy fanatitra amin’ny fifadian-kanina

Nandritra ny fihaonambe dia nianatra ny sasany tamin’ireo fomba ampiasan’ny Fiangonana ny volan’ny fahafolonkarena sy ny fanomezana omentsika mba hitahiana ny olona manerana izao tontolo izao isika!

  • Tamin’ny taon-dasa dia mihoatra ny 1 miliara dolara amerikana no nampiasaina mba hitahiana ireo sahirana.

  • Nisy 54 tapitrisa dolara amerikana hafa nanampiana ireo reny sy ankizy sahirana.

  • Ny fahafolonkarena dia manampy amin’ny fanohanana ireo misiônera mihoatra ny 71.000 manao asa fitoriana ao amin’ny misiôna miisa 414 .

  • Ny fahafolonkarena ihany koa dia manampy amin’ny fikarakarana mpiangona miisa 30 000 any amin’ny tany sy faritany miisa 195 .

Lesona momba ny fiainana avy amin’ny Mpaminany

Feno 99 taona ny Filoha Nelson tamin’ity taona ity! Tao anatin’ny lahateniny, dia nizara ny sasany tamin’ireo lesona nianarany nandritra ny efa ho 100 taona teo amin’ny fiainany izy. Mankanesa ao amin’ny pejy 2 raha hamaky izay nampianariny.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Hamoaka printy