“Hazon’ny fankasitrahana,” Namana, nôv. 2023, 18.
Zavatra mahafinaritra
Hazon’ny fankasitrahana
Manamboara hazon’ny fankasitrahana! Soraty eo amin’ny ravinkazo tsirairay ny zavatra maha-feno fankasitrahana anao. Hetezo izy ireo avy eo ary ahantony. Mba hanaovana ravinkazo misimisy kokoa dia sorito ny manodidina an’ireo ravinkazo.
Aolankolano lavalava ny taratasy miloko volon-tsôkôlà iray mba hanambaroana hazo iray eo amin’ny rindrinao.
Na asio rantsankazo kely ao anatina zinga iray ary fatory eo amin’izany ireo ravinkazo.