“Fo voaloko,” Namana, nôv. 2023, 12.
Zavatra mahafinaritra
Fo voaloko
Ataovy ity asa tanana ity mba hozaraina amin’ny olona izay tianao!
Mametraha taratasy iray eo ambonin’ity pejy ity ary sorito amin’ny pensilihazonao ny manodidina an’ilay zavatra miendrika fo. Hetezo izany avy eo.
Dingana 1
Aforeto roa eo amin’ny fisasahany ilay taratasy ary ataovy sary ny antsasaky ny fo. Hetezo izany avy eo.
Dingana 2
Asio loko kely maro indray mitete manerana ilay fo.
Dingana 3
Aforeto roa moramora eo amin’ny fisasahany ilay fo ary tsindrio ny sisiny anankiroa.
Dingana 4
Sokafy ilay fo mba hahitana endri-javatra iray miavaka sy milokoloko!