2023
Hiaraka isika hanao izany
Nôvambra 2023


“Hiaraka isika hanao izany,” Namana, nôv. 2023, 40–41.

Hiaraka isika hanao izany

Matahotra hanomboka ny ao amin’ny Zatovovavy i Annie.

Tany États-Unis no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
alt text

Nakasokasok’i Annie ny ravin-damban’ny akanjony. Niezaka nihaino ireo mpandahateny izy. Saingy nahatsapa nitebiteby sy niotakotaka ny tao anatiny.

Anio no andro hanombohan’i Annie hankany amin’ny Zatovovavy. Handeha ho any amin’ny kilasy izy raha vao vita ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Nilaza tamin’i Annie ny olona rehetra fa tokony ho faly izy, kanefa natahotra izy.

Nitodika tany amin’i Tami zokiny vavy izy. Telo taona no naha-tao amin’ny Zatovovavy an’i Tami ary tiany izany. Nolazainy foana i Annie fa tena mahafinaritra izany. “Hahazo namana maro dia maro ianao,” hoy i Tami. “Tsy mitovy amin’ny ao amin’ny Kilonga ny ao. Toy ireny efa olon-dehibe ireny ianao.”

Saingy tsy mitovy amin’ny rahavaviny i Annie. Tia mihaona amina olona vaovao i Tami, ary mora ho azy ny mahazo namana. I Annie dia be tsy miteny ary aleony mamaky boky na manao sary toy izay miresaka amin’olona.

Nisy mony koa i Annie ka menatra ny endriny izy. Nampiasa menaka fampiasa manokana amin’izany izy. Saingy tsy mety levona mihitsy ireo zavatra mivonto kely menamena eny amin’ny hodiny.

Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nihisatra i Annie namakivaky ny lalantsara. “Tsy ho afaka ny handeha ao amin’ny Zatovovavy aho androany,” hoy izy tamin’i Neny sy i Tami.

Sary
alt text

Sahiran-tsaina i Neny. “Izaho nihevitra hoe faly ianao fa hiditra ao amin’ny Zatovovavy. Fa misy inona indray?”

“Tsy misy fantatro ireo ankizivavy lehibe ao.” Nokasihin’i Annie ny tarehiny. “Ary tena hihomehy izy ireo rehefa mahita ahy.”

Nofihinin’i Neny i Annie. “Tsarovy fa ho ao koa i Tami.”

“Tsy mitovy amin’i Tami aho,” hoy i Annie. Nijery ny rahavaviny izy. “Ianao mahay miresaka amin’olona.”

“Fantatro fa sarotra ny miditra ao amina kilasy vaovao iray,” hoy i Tami. “Fa hiaraka isika hanao izany. Natahotra koa aho rehefa nanomboka nanatrika ny Zatovovavy.”

Nivandravandra nandinika an’i Tami i Annie. Toa feno fahasahiana foana i Tami hatrizay! Nanandrana nirotsaka tamin’ny filalaovana teatira miaraka amin’ny hira sy dihy tao amin’ny sekoliny aza izy ary lasa mpilalao fototra. Tsy mba fanaon’i Annie izany. Miezaka ny miafinafina izy.

“Fa ianao izany tsy mba matahotra velively,” hoy i Annie.

Sary
alt text

Nitsiky i Tami. “Mazava ho azy fa mahatsapa tahotra ihany aho! Natahotra aho rehefa nanandrana nirotsaka tamin’ilay filalaovana teatira miaraka amin’ny hira sy dihy. Fantatrao ve ny nataoko?”

Nahifikifik’i Annie ny lohany.

“Nivavaka aho ary nanao izay vitako. Ary nanampy ankizy hafa koa aho. Toa natahotra toa ahy daholo ny ankamaroan’izy ireo. Nanampy ahy ho feno fahasahiana ny fanampiako ny hafa ho feno fahasahiana.”

Nieritreritra an’izany i Annie. Moa ve izy afaka ny hanao ny zavatra nataon’i Tami ary hanampy ankizivavy hafa ao amin’ny kilasiny mba tsy hatahotra?

“Mihevitra ve ianao fa afaka ny hiditra ao amin’ny Zatovovavy androany?” Hoy i Neny nanontany.

Nisento lalina i Annie. Ary nanaiky izy avy eo. Vitany izany.

Nandeha niditra ny kilasin’ny Zatovovavy i Annie sy i Tami. Nijery ireo ankizivavy i Annie. Sahiran-tsaina toa azy ny sasany tamin’izy ireo. i Julie dia nanodinkodina nanodidina ny rantsantanany ny singam-bolo iray ary i Erica kosa dia nanaikitraikitra ny hohony.

Nieritreritra ny fomba ahafahany manampy azy ireo i Annie. Nifindra nipetraka teo akaikin’i Julie izy. “Sahiran-tsaina koa angaha ianao?” Hoy i Annie nibitsibitsika. “Hilamina ny zava-drehetra.”

Nitsiky i Julie ary novalin’i Annie tamin’ny tsikitsiky koa izany. Nihena amin’izay ny tahotr’i Annie. Mety hahafinaritra tokoa ny ao amin’ny Zatovovavy.

Sary
alt text
Sary
alt text here

Sary nataon’i Toby Newsome

Hamoaka printy