2023
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Nôvambra 2023


“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe,” Namana, nôv. 2023, 5.

Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe

Fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina

Sary
alt text

Nilaza ny Filoha Eyring fa nahatsapa ho nankaherezina izy rehefa namaky ny tantaran’i Nefia nahazo ireo takela-barahina tamin’i Labàna. Tsy fantatr’i Nefia mazava tsara izay tokony hatao, saingy notarihin’ny Fanahy Masina foana izy. Rehefa mangataka antsika hanao zavatra sarotra ny Tompo dia hanampy antsika koa ny Fanahy Masina.

Mampianatra ahy izany fa:

Tadidio hoe iza ianao

Sary
alt text

Nanasa antsika ny Loholona Stevenson mba hijanona isaky ny mijery ny tenantsika eo amin’ny fitaratra ary hiteny hoe: “Oay, jereo anie aho e! Tena mahavariana aho! Zanak’ Andriamanitra aho! Fantany aho! Tiany aho!” Ny fanaovana izany dia hanampy antsika hahatsiaro hoe iza marina isika ary ahoana no hanampian’ Andriamanitra sy ny Fanahy Masina antsika.

Mampianatra ahy izany fa:

Finoana an’i Jesoa Kristy

Sary
alt text

Nizara ilay tantara nampitonian’i Jesoa Kristy ny tafio-drivotra ny Loholona Costa. Isika rehetra dia manana ireo tafio-drivotra na ireo fanamby eo amin’ny fiainana izay sarotra. Tsy voatery hiatrika irery azy ireny anefa isika. Ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy dia hanome antsika ny hery sy ny fiadanana ilaintsika hiatrehana ny tafio-drivotra rehetra.

Mampianatra ahy izany fa:

Mandehana miaraka Aminy

Sary
alt text

Ny Filoha Freeman dia nitantara tantara iray momba ny fotoana naniriany hitsidika lalana manokana iray, na dia naratra aza ny kitrokeliny. Tsy afaka nandeha irery tamin’ilay lalana izy, ka nanampy azy ny mpitari-dalana. Tahaka ilay mpitari-dalana ny Filoha Freeman dia hanampy antsika amin’ny fanamby rehetra i Jesoa Kristy rehefa miezaka mitandrina ny fanekempihavanantsika isika.

Mampianatra ahy izany fa:

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Josh Talbot

Hamoaka printy