2023
Miomana handeha ho any amin’ny tempoly i Akoni
Nôvambra 2023


“Niomana handeha ho an’ny tempoly i Akoni,” Namana, nôv. 2023, 36–37

Miomana handeha ho any amin’ny tempoly i Akoni

Fantaro i Akoni sy ny fomba niomanany handeha ho any amin’ny tempoly.

Sary
alt text

12 taona i Akoni. Mipetraka any New Mexico, États-Unis, any amin’ny Firenena Navajo izy. Faritra iray ao États-Unis izay tantanan’ny vahoaka Najavo izany. Olona mihoatra ny 250.000 no monina ao.

Sary
alt text

Fony i Akoni mbola kely dia nijery an’ireo zokiny niakatra tao amin’ny Zatovovavy sy Zatovolahy izy.

Sary
alt text

Hitany koa ny fifalian’izy ireo rehefa nandeha tany amin’ny tempoly izy ireo. Tena faly i Akoni rehefa nandeha nitsidika ny tempoly koa.

Niomana ny hiakatra ao amin’ny Zatovolahy i Akoni tamin’ny alalan’ny fandehanany miangona sy ny firesahany tamin’ny fianakaviany.

Nametraka fanontaniana momba ny tempoly izy mba ho vonona ny hiditra ao anatin’izany.

Sary
alt text

“Natahotahotra aho tamin’ny fotoana voalohany nandehanako tany amin’ny tempoly,” hoy i Akoni. “Saingy rehefa ao anatin’ny tempoly aho dia mahatsapa ho voaro.”

Sary
alt text

Ny tempoly akaiky indrindra ho an’i Akoni dia ny Tempolin’i Albuquerque New Mexico. Adiny efatra izany raha mitondra fiara. Tena faly i Akoni fa hisy tempoly vaovao haorina any akaikikain’ny toerana misy azy.

Manantena ny hanao asa fitoriana tahaka ireo zokiny i Akoni indray andro any.

Nanomboka nizara ny filazantsara izy tamin’ny alalan’ny fanasana ny namany ho any am-piangonana. Te ho ohatra tsara ho an’ny zandriny lahy sy ireo hafa koa izy!

Sary
alt text

Ny anaran’ilay vatolampy lehibe eo amin’io sary io dia “wings of the rocks” (elatr’ireo vatolampy). Manan-danja ho an’ny vahoaka Navajo io toerana io.

Sary
alt text here

Hamoaka printy