Namana
Misafidy ny zavatra atao amin’ny andro Alahady
Jolay 2024


“Misafidy ny zavatra atao amin’ny andro Alahady,” Friend, jolay 2024, 4–5.

Misafidy ny zavatra atao amin’ny andro Alahady

“Inona izany fanasan’ny Tompo izany?” Hoy Anita nanontany.

Tany Islandy no nitrangan’ity tantara ity.

Sary
Ankizivavy mitsambikina eo amin’ny trampoline

“Ambony kokoa!” Hoy i Evolett mantsy an’i Anita namany. Nitsapa ry zareo hoe hatraiza ny haavon’ny tsambikina ataon’izy ireo eo amin’ny trampoline an’i Evolett.

Tamin’izay indrindra no nitsambikina ambony be i Anita. Rehefa tafidina indray ny tongony dia lasa nisidina ambony be i Evolett. Niara-nitontona teo amin’ny trampoline izy roa vavy. Nihomehy izy ireo.

“Mahafinaritra be ilay izy”, hoy i Anita. “Afaka milalao koa ve isika rahampitso?”

Nitsilany i Evolett. “Ie! Tiako mihitsy izany.”

“Afaka milalao any an-tranon’i bebe isika.” Trano vitsivitsy niala teo amin’ny tranon-dry Evolett no misy ny bebe an’i Anita.

Tadidin’i Evolett avy eo fa Alahady ny ampitson’io. Te hankany amin’ny Kilonga izy. Mety hahafinaritra ny hiaraka hilalao amin’i Anita saingy te hanao safidy tsara izy.

“Tadidiko tampoka hoe kay tsy afaka aho,” hoy i Evolett. “Azafady. Handeha hiangona hiaraka amin’ny fianakaviako aho rahampitso.”

Nitsangana i Anita sady nitsambikina indray. “Fa maninona?”

Nanomboka nitsambikina koa i Evolett. “Ka izaho tsinona te hanara-dia an’i Jesoa ko. Mandeha miangona ny fianakaviako isaky ny Alahady mba hianatra momba Azy sy handray ny fanasan’ny Tompo.”

“Inona izany fanasan’ny Tompo izany?” Hoy Anita nanontany.

“Mihinana sombi-mofo kely sy misotro rano amin’ny kaopy kely izahay mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo,” hoy i Evolett. “Avy eo ny olona miresaka momba ny fomba anampian’i Jesoa azy ireo. Ary aorian’izay dia misy kilasy ho an’ny ankizy!”

“Mahafinaritra kosa izany!” Hoy i Anita. “Afaka mankany ve aho?”

“Afaka tsara mihitsy!” Hoy i Evolett nitsiky.

Nihazakazaka nody i Anita nanotany ny renibeny raha afaka mandeha miangona miaraka amin’i Anita izy. Ny ampitso marainan’io dia naka an’i Anita tany an-tranony i Evolett sy ny fianakaviana raha izy nandeha nivavaka iny.

Nentin’i Evolett nitsidika ny toerana i Anita rehefa tonga tany am-piangonana izy ireo. Nasehony azy ny efitranon’ny Kilonga, ny toerana fanaovana fanatanjahantena, ary ny trano fiangonana.

Vetivety dia tonga ny fotoana ho an’ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Niara-nipetraka i Evolett sy i Anita. Niezaka nieritreritra momba an’i Jesoa Kristy i Evolett nandritra ny fanasan’ny Tompo. Nihaino ireo lahateny izy ireo avy eo.

Sary
Mpandahateny mandritra ny fanasan’ny Tompo sy zazavavy mihaona amina mpampianatra ao amin’ny Kilonga

Tonga ihany ny fotoanan’ny Kilonga nony farany! Nampahafantarin’i Evolett tamin’ny namany sasantsasany i Anita.

“Izy no Anita namako,” hoy i Evolett.

“Faly be izahay noho ny fahatongavanao androany. Izaho no Rahavavy Magnusson,” hoy ilay mpampianatra ao amin’ny Kilonga.

Nahatsapa hafaliana anaty i Evolett teo am-pihainoan’izy sy i Anita ny lesona momba an’i Jesoa Kristy. Tiany ny niara-niangona tamin’i Anita. Nitodika izy sady nitsiky tamin’i Anita. Namaly tamin’ny tsiky ilay namany.

“Misaotra tamin’ny fanasana ahy,” hoy i Anita raha teny an-dalana hody.

Faly i Evolett fa afaka nanara-dia an’i Jesoa Kristy izy. Ary faly izy fa naniry ny hianatra momba Azy koa i Anita.

Nahafinaritra ilay nitsambikina teo amin’ny trampoline sy misidina ambony, saingy tsara kokoa noho izany aza ny fahatsapana tsara tsapan’i Evolett tao anatiny.

Sary
Lovian’ny fanasan’ny Tompo sy ankizivavy mijery ambony ary misy fahatoniana misoritra eny amin’ny endriny
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’I Fiona Powers

Hamoaka printy