“Inona no atao hoe Sabata?” Namana, jolay 2024, 46–47.
Ireo fototry ny filazantsara
Inona no atao hoe Sabata?
Anarana iray hafa iantsoana ny Alahady ny Sabata. Andro masina ifantohana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izany.
Amin’ny Sabata isika no mandray ny fanasan’ny Tompo mba hahatsiarovana an’i Jesoa.
Mianatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika any an-tokantrano sy any am-piangonana.
Mankafy ny fotoana iarahana amin’ny fianakaviantsika isika ary manompo ny hafa.
Faly ny Ray any An-danitra rehefa manaja ny andro Sabata isika.