Namana
Mizarà ny zavatra inoanao
Jolay 2024


“Mizarà ny zavatra inoanao,” Namana, jolay 2024, 2–3.

Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Mizarà ny zavatra inoanao

Namboarina avy tamin’ny “Enfants et disciples,” Liahona, mey 2003, 29–32.

Sary
Lehilahy eny amin’ny solaitrabe fanoratra amin’ny tsaoka

Mpahay siansa ny raiko. Nisy fotoana aho namaky ny lahateny nataony tamina andian’olona maro. Niresaka momba ny Fahariana sy momba ana Mpahary iray izy tao anatin’ilay izy raha nandaha-teny momba ny siansa. Fantatro fa vitsy tamin’ireo olona tao amin’ilay vondrona no nitovy finoana taminy. Talanjona aho, ka hoy aho taminy: “Dada a, nizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao.”

Nijery ahy izy, sady gaga be ny endriny, ary niteny hoe: “Izany ve?” Tsy fantany akory hoe naneho fahasahiana izy. Nizara zavatra izay fantany fa marina fotsiny izy.

Nampanantena ny hizara ny filazantsara isika rehetra izay efa vita batisa. Afaka mivavaka amim-pinoana isika mba hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika sy ny olona rehetra mifanena amintsika. Hitondra fifaliana ho anao ny Fiangonan’ny Tompo sy ny asany ary hita eny aminao izany. Ho zavatra mandeha ho azy aminao ny mizara ny zavatra inoanao.

Fomba tsotra entina mizara

Afaka mizara ny filazantsara amin’ny fomba maro ianao. Soraty ny zavatra azonao lazaina amin’ny olona tsirairay mba hizarana ny zavatra inoanao. Azonao alain-tahaka ilay voalohany io.

Nanao ahoana ny faran’ny herinandronao?

Tsara izany! Nandeha tany am-piangonana aho.

Olona maro no manana zavatra inoana ara-pivavahana samihafa. Inona no zavatra inoanao?

Marary ny dadako. Afaka mivavaka ho azy ve ianao?

Sary
PDF misy sahanasa mampiseho zazavavy roa mifampiresaka sy zazavavy iray manangan-tanana any an-tsekoly ary zazalahy roa mifampiresaka

Sary nataon’i Alyssa Tallent

Hamoaka printy