Namana
Ilay tantara ao amin’ny soratra masina nolalaovina an-tsehatra
Jolay 2024


“Ilay tantara ao amin’ny soratra masina olalaovina an-tsehatra,” Namana, jolay 2024, 14–15.

Ilay tantara ao amin’ny soratra masina lalaovina an-tsehatra

“Ahoana raha avoakantsika ilay vata ana kilalaon’ny andro Alahady iny e?” Hoy i Jonny nanontany.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

“Monamonaina aho izany.” Mitsilailay eo amin’ny gorodon’ny efitrano fandraisam-bahiny i Jonny.

Mivandravandra mitazana eo am-baravarankely i Jenna rahavaviny. “Tsisy na inona na inona hatao,” hoy izy.

Nibanjina ny valindrihana (plafond) i Jonny. Fa nahoana ary ny andro Alahady no toa tsy mahafinaritra e?

Dia nieritreritra zavatra izy avy eo. “Ahoana raha avoakantsika ilay vata ana kilalaon’ny andro Alahady iny e?” Hoy i Jonny nanontany. Vata iray miavaka feno kilalao azo lalaovina amin’ny andro Alahady ilay vata ana kilalaon’ny andro Alahady.

Nihiratry ny tsiky ny tarehin’i Jenna. “Mahafinaritra kosa izany.”

Sary
Ankizilahy sy ankizivavy maka kilalao avy ao anaty vata

Niriotra nankany amin’ny efitranon’i Neny i Jonny sy i Jenna. Notarihin’izy ireo nankao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ilay vata lehibe.

“Inona no tokony hataontsika voalohany?” Hoy i Jonny nanontany. Nosokafany ilay vata ary naka bokin-tsary vitsivitsy sy karatra kilalao iray izy.

“Andao hanao ilay kilalao fampifandraisana maherifo ao amin’ny soratra masina e,” hoy i Jenna.

Ahitana karatra maro misy sarina mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ilay kilalao. Nahohok’i Jenna teo amin’ny tany ireo karatra. Nifandimby naka karatra izy ireo ary niezaka nitady ireo izay mifandray.

Naka karatra roa samy hafa i Jonny ka nisy ny sarin’ny Kapiteny Môrônia teo amin’izy ireo. “Nahita karatra roa mifandray aho!” hoy izy nihoraka.

“Izaho koa!” Nitazona karatra roa mampiseho an’i Sarià i Jenna.

Nilalao andiany vitsivitsy fanampiny i Jonny sy i Jenna. Nahafinaritra ny nieritreritra momba ireo tantatara tian’izy ireo indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Kelikelin’iny dia hoy i Jenna: “Andao hanao zavatra hafa e.”

“ENY ARY E. Andao lalaovina an-tsehatra ny iray amin’ireo tantara tiantsika indrindra ao amin’ny soratra masina. Hilalao an-tsehatra tantara ao amin’ny soratra masina isika!” Nanomboka naka karatra i Jonny.

“Oeee!” Nanampy nanangona ny karatra kilalao sy nampirina izany i Jenna.

Nosavain’i Jonny tanteraka ilay vata mandra-pahitany ny sasany tamin’ireo fitafiana filalaovana an-tsehatra. Namoaka akanjo tohitena miloko volontany izy ary nanaovany izany. “Samoela ilay Lamanita aho!” Nitsambikina nankeo ambonina seza iray izy ary nody nanao Samoela, nampianatra teo amin’ny tambohon’ny tanàna.

Nosokafan’i Jenna ny boky misy ireo tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Navadibadiny ny pejy mandrapahatongany teo amin’ny nisy an’i Samoela ilay Lamanita; Novakiny mafy izany raha i Jonny kosa nilalao ilay tantara.

Naverimberin’izy ireo ankizy nolalaovina imbetsaka ilay tantara. Nahatsapa hafanana sy fifaliana tao anatiny i Jonny. Tsara ery ny nahatsiaro ireo mpaminany izay nampianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Rehefa tsapan’izy ireo fa vonona izy ireo dia nihazakazaka naka an’i Neny sy i Dada ary i Makenna zandrin’izy ireo vavy i Jonny. “Avia hijery ny kilalao an-tsehatra ataonay!”

Nijoro teo afovoan’ny efitrano namelatra ny tanany aok’izany i Jenna. “Tonga soa eto amin’ny lalao an-tsehatra momba ny tantara ao amin’ny soratra masina ataonay. Anio izahay dia hanolotra anareo ny tantaran’i … Samoela ilay Lamanita!”

Avy eo dia natombony ilay tantara. “Taloha ela be, nisy mpaminany iray nantsoina hoe Samoela tonga mba hampianatra ireo Nefita …”

Nijoro nahitsy teo ambony seza i Jonny rehefa anjarany. Niteny tamin’ny feo mafy izy. “Izaho no Samoela ary tian’ny Ray any An-danitra hanao safidy tsara ianareo. Atsaharo ny fanaovan-dratsy. Satria afaka dimy taona dia ho teraka i Jesoa Kristy.”

Sary
Ankizilahy sy ankizivavy misalotra akanjo fanao avy mandro sy ankizilahy mijoro eo ambony seza.

“Tao amin’i Samoela ny herin’ Andriamanitra,” hoy i Jenna. Novitainy ny fitantarana ny ambin’ilay tantara. Nitehaka i Neny sy i Dada ary Makenna rehefa tapitra ilay izy.

“Tena tsara be izy teo!” Hoy i Neny.

Nanondrika ny lohany i Jonny sy i Jenna. Nitsiky be izy ireo.

“Andao hanao lalao an-tsehatra iray hafa,” hoy i Jonny.

“Te hahita anankiray hafa izahay,” hoy i Neny. Nitehaka sy nitsiky i Makenna.

Nihazakazaka nankany amin’ilay vata ana kilalaon’ny andro Alahady i Jenna sy i Jonny mba haka fitafiana filalaovana an-tsehatra misimisy kokoa.

“Mahafinaritra ny Alahady! Tiako ny mianatra momba ny filazantsara,” hoy i Jenna.

“Sy i Jesoa.” Nitsiky i Jonny rehefa nahita fitafiana fanaovana kilalao an-tsehatra iray hafa. Andro niavaka tokoa ny Alahady!

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney

Hamoaka printy