Namana
Manandrana indray i Raina
Jolay 2024


“Manandrana indray i Raina,” Namana, jolay 2024, 36–37.

Manandrana indray i Raina

“Izay no farany hanandramako zava-baovao. Tsy hanao intsony aho,” hoy i Raina.

Tany Etazonia no nitrangan’ity tantara ity.

Namaky indray ireo teny teo amina trakitra tany am-pianarany i Raina. Fifaninanana fanoratan lahatsoratra: Mahazoa tapakila maimaim-poana handehanana any amin’ny tanandehiben’i New York!

Fifaninana ho an’ny mpianatra tao amin’ireo sekoly maro teo amin’ny manodidina ilay izy. Naka sary an-tsaina ny tenany tany amin’ny tanandehiben’i New York i Raina. Feno tranobe manaka-danitra mijoalajoala manodidina azy sy ny Tsangambaton’ny Fahalalahana [Statue de la Liberté] izay tsy lavitra eo. Te hankany izy!

“Tokony handray anjara ianao,” hoy i Sydney. “Ianao no mpanoratra mahay indrindra ao amin’ny kilasintsika!”

Nanome fahatsapana tsara an’i Raina ny tenin’i Sydney. Tsy mahafantatra zavatra betsaka momba ny fanoratana lahatsoratra izy. Saingy te hanandrana izy.

Nipetraka nanoloana ny latabany i Raina rehefa avy nianatra. Ta! Ta! Ta!. Mikapokapoka latabatra amin’ny penisilihazo izy eo am-pieritreretana momba ny heviny. Nanomboka nanoratra ihany izy nony farany.

Herinandro maninjitra no lanin’i Raina namitana azy. Saingy nahatsapa ho vonona ny handefa ilay lahatsorany izy nony farany noho ny fanampiana sasantsasany avy tamin’i Neny.

Herinandro vitsivitsy izay no lasa. Maika ery i Raina ny hahafantatra hoe iza no nandresy. Mety hoe tsy ho ela izy dia hanainga hankany New York!

“Mpianatra mihoatra ny arivo no nandray anjara,” hoy i Andriamatoa Wright teny anoloan’ny efitrano fianarana. “Misaotra anareo rehetra izay nanoratra lahatsoratra.”

Nidobodoboky ny fientanam-po i Raina.

“Na dia tsy nisy nandresy tamin’ilay fifaninanana aza ny mpianatra tato amintsika dia tao anatin’ireo mpandray anjara dimy voalohany i Riana. Arahabaina ianao Raina,” hoy i Andriamatoa Wright.

Nitsiky i Raina raha nitehaka ny iray kilasy taminy. Saingy somary nalahelo izy tao anatiny tao. Tsy tsara miohatra amin’ny mandresy ny tafiditra ao anatin’’ny dimy voalohany. Foana teo ny nofinofiny hahita an’i New York.

Rehefa tonga tany an-trano i Raina dia nitambotsitra teo amina seza tao an-dakozia teo anilan’ny ray aman-dreniny. “Tsy naharesy tamin’ilay fifaninana aho,” hoy izy. “Izay no farany hanandramako zava-baovao. Tsy hanao intsony aho. Izay zavatra fantatro fa haiko tsara ihany no hataoko.” Nataony teo ambony lohany ny tanany roa.

Sary
Ankizivavy eo amin’ny latabatry ny lakozia miaraka amin’ny ray aman-dreniny

“Miala tsiny aho amin’ilay hoe tsy nandresy ianao. Rehareha ho ahy sy i Neny ilay ianao nanandrana,” hoy i Dada. Nipetraka teo akaikin’i Raina izy. “Tadidinao ve ilay izaho tsy nanana asa taona vitsy lasa izay?”

Niatoka i Raina.

“Nanao fangatahan’asa be dia be aho fa tsy voaray tamin’ny iray tamin’izy ireny ,” hoy i Dada. “Tena kivy aho tamin’izany.”

Nanandratra ny lohany i Raina. “Izany ve?”

Niatoka i Dada. “Saingy tsy nilavo lefona aho. Nahita ilay asa tena nety aho ela be taty aoriana. Nefa tsy nisy izany raha nitsahatra ny nanandrana aho.”

Nataon’i Neny teo amin’ny lamosin’i Raina ny tanany ho fampiononana azy. “Fantatrao ve hoe firy izay ny tantara nalefako tany amin’ny gazetiboky samihafa?” hoy izy nanontany. “Ary firy no tsy noraisina? Saingy tsy afaka ny manary toky aho raha te hahita ny asasoratro havoaka. Manan-danja amiko ny manoratra ka manandrana foana aho.”

Nihevitra foana i Raina hatrizay hoe nahomby ny zava-drehetra nataon’ireo ray aman-dreniny. Tsy nahafantatra mihitsy izy hoe mba nolavina koa anie izy ireo.

Mbola nalahelo izy saingy ohatra an’ny kidaladala izany hoe tsy hanandrana zava-baovao izany intsony . Tsy izany no zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho azy. Nanapa-kevitra i Raina fa tsy hilavo lefona izy. Afaka manandrana zavatra misimisy kokoa izy, eny fa na dia ireo zavatra tsy hainy teo no ho eo aza.

“Mihevitra ny handray anjara amin’ilay fifaninanana indray aho amin’ny herin-taona,” hoy i Raina. Tsy voatery nifarana hatreo amin’ny tsy fandresena tamin’ilay fifaninana akory ireo nofinofiny rehetra.

Nandeha nankeo amin’ny latabany i Raina ary naka ny penisilihazony. Nahafinaritra ny nanoratra. Ta! Ta! Ta!. Inona no zava-baovao hosoratany manaraka?

Sary
Ankizivavy mipetraka eo anoloan’ny latabatra miaraka amin’ny penisilihazo sy taratasy
Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’ Vivian Mineker

Hamoaka printy