Namana
Manara-dia an’i Jesoa any Nikaragoà
Jolay 2024


“Manara-dia an’i Jesoa any Nikaragoà,” Namana, jolay 2024, 6–7.

Manara-dia an’i Jesoa any Nikaragoà

Fantaro i Felix!

Ny fomba fanarahan’i Felix an’i Jesoa

Sary
Sarin’i Felix natao piozila

Manara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fankatoavana i Felix. Mivavaka sy miezaka mitandrina ireo didy izy ary mandeha miangona. “Mianatra zavatra be dia be aho ao amin’ny Kilonga,” hoy izy. “Feno ankizy ao amin’ny Kilonga ary mianatra momba an’i Jesoa Kristy izahay ao.”

Tia miara-milalao amin’ireo zanakalahin’ny anadahin’ny reniny i Felix. Saingy tsy mifankahazo izy roa lahy indraindray. “Manampy ahy hanana faharetana ny Ray any An-danitra,” hoy izy.

Manampy ny hafa ihany koa i Felix. Nahita mpiara-mianatra iray tsy nanana goûter i Felix tany am-pianarana. Nozarain’i Felix ny goûter-any. Mikarakara ny zandriny vavy koa izy. Ataony izay tsy hampidi-doza azy ka sakafo voatetika kely ihany no haniny.

Sary
I Felix manao satroka sy i Felix mitendry pianô

Mombamomba an’i Felix

Sary
I Felix mitsiky ary taboika maneho fiteny milaza hoe -Manahoana-

Taona: 7

Fiaviana: Managoà, Nikaragoà

Fiteny: Espaniôla

Tanjona: 1) Ho lasa mpanamory sambondanitra sy hankeny amin’ny volana ary mety ho eny amin’ny planeta Marsa koa. 2) Hiompy akoho indray andro any.

Fialamboly: Mianatra momba ny habakabaka, sy mitendry pianô, ary mahandro sakafo.

Fianakaviana: Felix, Neny, Dada, ary zandry vavy

Ireo zavatra tiany indrindra

Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna: Tamin’i Jesoa namangy an’i Amerika sy nanasitrana ny olon-drehetra (3 Nefia 17)

Fotoam-pakalazana: Krismasy

Voankazo: Frezy sy voanketsihetsy (pastèque)

Loko: Manga

Hira ao amin’ny Kilonga: “I Will Walk with Jesus” (Friend, Feb. 2020, 27).

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Hamoaka printy