Namana
Arahaba avy aty Nikaragoà
Jolay 2024


“Arahaba avy aty Nikaragoà!” Namana, jolay 2024, 8–9.

Arahaba avy aty Nikaragoà!

Fantaro ireo zanaky ny Ray any An-danitra manerana izao tontolo izao.

Firenena iray ao Amerika Afovoany i Nikaragoà. Olona eo ho eo amin’ny 7 tapitrisa no mipetraka any!

Malagasy

Sary
Fonon’ny gazetiboky Namana amin’ny teny espaniôla

Teny espaniôla no fiteny ôfisialy. Miteny fitenin-drazana toy ny Miskito, Sumo ary Rama koa ny olona sasany.

Manaparitaka ny filazantsara

Sary
Sarin’ny toerana anorenana ny tempoly sy sarina ankizy miara-mamaky boky

Tamin’ny 1953 no nahatongavan’ireo misiônera voalohany tao Nikaragoà. Ankehitriny dia misy mpikamban’ny Fiangonana mihoatra ny 100000 any! Misy tempoly eo an-dalam-panorenana mihitsy aza.

Antsantsan’ny Farihin’i Nikaragoà

Sary
Sarin’ny Farihin’i Nikaragoà sy sarina antsantsa

Afaka mivelona an-dranomasina sy an-dranomamy ny requing-taureau. Midika izany fa afaka mivelona anaty ranomasimbe sy anaty renirano ary anaty farihy izy ireo. Milomano avy any amin’ny Ranomasimbe Atlantika izy ireo ary manaraka renirano lava be mba hitoerana ao amin’ny Farihin’i Nikaragoà.

Palo de Mayo

Sary
Sarina tsato-by ravahana fehilamba maro loko sy kisarina rahon’orana

Manao fety lehibe antsoina hoe Palo de Mayo ny olona any Nikaragoà rehefa tonga ny vaninandron’ny orana. Ravahan’izy ireo amin’ny fehilamba maro loko ny hazo na tsato-by iray ka mandihy manodidina izany izy ireo ary mankalaza mandritra ny iray volana manontolo.

Sary
Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Dave Klüg

Hamoaka printy